Fambolena sy vokatra sakafo
Vidian-dafo ny « Vary mainty » !
[Noho izany dia tsy ny olona rehetra no mahatakatra ny vidiny moa tsy dia misy hanao azy io ho fihinana toy ny vary tsotra hafa fahandro andavanandro.]
Raha ny vary no tenenina dia tsy vitan’ny hoe manana isika fa manan-karena i Madagasikara. Fa misy vokatra karazam-bary iray atao hoe « Vary mainty », izay vidian-dafo tokoa. Tena ara-bakiteny io anarana io satria mainty ranoray tanteraka ny lokon’ny voambary. Mba firy amin’ny Malagasy moa no mahalala io karazam-bary hafahafa tsy mbola fahita firy io ? Ny mahazatra efa fantatra sy be mpahalala dia ny varifotsy, toy ny makalioka izany. Ao koa ny vary tsipala. Miala amin’izay dia ny vary gasy mena, na koa ny vary mavokely. Amin’ny ankapobeny dia efa misy amam-polony maro ny karazam-bary ambolena eto Madagasikara. Anisan’ny nampidirina teto koa, ohatra, ny vary sinoa, ny vary japoney.
Fanafody
Fa raha iverenana ny mahakasika ity « Vary mainty » ity dia amidy eo amin’ny 50 000 ariary ny iray kilao aminy raha any ivelany satria anisan’ny vokatra aondrana koa izy io. Raha ato amin’ny tsena anatiny eto Madagasikara kosa dia 20 000 ariary ny vidin’ny iray kilao aminy. Tsy dia ny tsena na ny magazay rehetra anefa no ahitana azy io. Matetika dia eny amin’ireny tsena lehibe « Grande Surface » ireny no mivarotra azy. Noho izany dia tsy ny olona rehetra no mahatakatra ny vidiny moa tsy dia misy hanao azy io ho fihinana toy ny vary tsotra hafa fahandro andavanandro. Ny antony maha-lafo azy dia noho izy tsy fahita firy. Fa indrindra fanafody koa izy io. Ny mpitsabo moa no tena mahalala ny amin’izany sy ny aretina tsaboina aminy.
Raha eto Madagasikara ihany dia any amin’iny faritr’Itasy iny no efa mamboly ity antsoina hoe « Vary mainty » ity. Manodidina ny 80 kilao eo ny vokatra azo raha amin’ny velarantany 4 ara. Misy koa karazam-bary tsy hita na tsy maniry afa-tsy any amin’ny faritra sasany ka nahatonga ny anarany lasa nampitondraina ilay faritra mamboly azy mihitsy. Toy izany, ohatra, ny vary mangamila Anjozorobe. Misy koa ny vary Manalalondo any amin’ny faritr’Itasy. Ny vary Soamihintsana any Antalaha, sns. Fehiny, tsy lavina fa manan-karena isika eto Madagasikar raha ny vary no tenenina, saingy tsy mba toy izany kosa ny fahafahan’ny Malagasy mihinana azy noho izy tsy mitsaha-miaka-bidy hatrany.
Ral
16 Août 2024