🎭 ** Voamaintilany - Divers et divertissements**.
🏄♂️ *Prêt pour l'aventure et les activités sportives? Vivez des expériences uniques et des sensations fortes au cœur de paysages naturels d'une beauté rare.
Andranomafana-Antsirabe
Mahasarika mpitsabo tena sy mpizahatany Frantsay, Eraopeanina ary Kaomaoriana [Tohin'ny pejy MAHALIANA]
Fandraisana
Misokatra foana ny eto Andranomafana afa-tsy ny volana Jolay. Nosafidiana ny volana Jolay noho izy mangatsiaka noho izany dia mikatona. Ankoatr’izay, ny alakamisy koa tsy mivoha ny « piscine ». Rehefa fotoanan’ny « vacances » no betsaka olona. Mitovitovy amin’ny andavanandro ihany ny fahatongavan’ny olona fa mihoatra kely fotsiny rehefa fotoanan’ny « vacances ».
Mikasika ny saran’ny fidirana indray dia noferana ho 250 000 ar. izany ho an’ny fitsaboana maharitra roapolo andro. Miovaova kosa ho an’ny manaraka « Bien-être », ary azo aloa isan’andro. Ny filomanosana ao amin’ny « Piscine » dia 2500 ar. ho an’ny teratany malagasy, ary 5000 ar. ho an’ny teratany vahiny. Raha milona tsotra dia 2000 ar. ho an’ny teratany malagasy, ary 4000 ar. kosa ho an’ny vahiny. Misokatra amin’ny 10 ora maraina ka hatramin’ny 3 ora tolakandro ny filomana tsotra. Ho an’ny filomana noho ny antony ara-pahasalamana (Bien-être) indray dia misokatra amin’ny 8 ora maraina ka hatramin’ny 12 ora atoandro, ary amin’ny 2 ora tolakandro ka hatramin’ny 4 ora tolakandro. Tsikaritra fa niha-nitombo ny isan’ny olona tonga eto Andranomafana. Nisy ihany koa ny ezaka nataon’ny fanjakana.
Eto am-pamaranana, ny hany tsy voalaza dia ny olan’ny fahanteran’ny fotodrafitrasa, araka ny nambaran’ny adjoint-technique, izay dokotera anisan’ny mpitantana eto Andranomafana ihany. Ankoatr’izay, olana koa ny hamandoana. « Midina 1,5 metatra ambanin’ny tany dia efa misy rano. Tena tsy ampy mihitsy ny « capacité d’accueil ». Ny tena tsy maharaka indrindra dia ny trano fipetrahan’ny marary », hoy izy. Marary 40 isam-bolana eo ihany no zakany nefa mahatratra 250 ka hatramin’ny 300 ny marary tonga manatona eto, hoy ihany ny fanazavana.
Nangonin’i Ral
15 novembre 2024
Tohatohabaton’Antaninarenina
Vazaha nividy Baiboly malagasy
Nisy Vazaha vavy iray nividy baiboly malagasy teo amin’ny tohatohabaton’Antaninarenina. Tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo iny no nitranga’izany. Rehefa niakatra tamin’iny tohatohabaton’Antaninarenina, na antsoina ihany koa hoe tohatohabato Ranavalona I, ny tenany niaraka tamin’ireo Vazaha namany hafa dia nijanona teo amin’ny toerana fivarotana baiboly iray nividy baiboly. Rehefa lasa izy ireo dia nanontaniana ilay mpivarotra ny amin’ny zavatra nataon’ireto Vazaha ireto. Nividy baiboly malagasy izy ireo, hoy ilay mpivarotra. Tazana nivimbina baiboly anankiroa mbola teny an-tanany ilay Vazaha vavy tamin’io. « Mahay teny gasy be izy », hoy ihany ilay mpivarotra baiboly. Teo amin’ny 25 000 ariary no nividianany ny anankiry. Tsy noho izy nividy baiboly akory no mahagaga fa noho ilay hoe amin’ny teny malagasy no novidiany. Raha resaka finoana fotsiny tsy voatery ho baiboly amin’ny teny malagasy no novidiny fa mety ho baiboly amin’ny tenim-pirenena hafa, ohatra hoe frantsay, na anglisy. Mety hoe ataony fahatsiarovana no nividianana azy, na koa noho ny fankafizany sy fahaizany teny malagasy no antony. Mety ho efa nisy fotoana koa tany aloha tany nipetrahany teto Madagasikara ka izay no nahaizany teny malagasy sy itiavany azy. Tsy izao ve no tonga amin’ilay fiteny manao hoe « Andrianiko ny teniko, ny an’ny hafa koa feheziko ! ».
Ral
15 novembre 2024
Topimasom-baovao
# Nandray anjara tamin’ilay fivoriambe iraisam-pirenena momba ny COP 29 natao tany Azerbaïdjan i Madagasikara. Anisan’ireo firenena vitsy nangataka ny hanekena ny tanintsika ho tsy mamoaka entona carbone na manafoana ny entona carbone i Madagasikara nandritra io fivoriana io.
# Hiverina amin’ny laoniny tsikelikely ny famatsiana jiro sy rano eto Antananarivo renivohitra sy ny manodidina. Io no anisan’ny nambaran’ny Filoha Andry Rajoelina nandritra ny tafa nifanaovany tamin’ny vahoaka malagasy ny faran’ny herinandro lasa iny. Any amin’ny faramparan’ny taona 2025 ho avy io dia hihena tanteraka na tsy hisy intsony ny delestazy, araka ny nambarany.
# Nisokatra ny talata tamin’iny herinandro lasa teo iny ny taom-piotazana letisia ao anatin’ny faritra atsinanana. Ankoatry ny faritra atsinanana dia anisan’ny mpamokatra letisia ihany koa ny faritra Analanjirofo sy Atsimo atsinanana. Mitana ny lohalaharana eran-tany eo amin’ny fanondranana letisia isika eto Madagasikara. Any Eraopa no anisan’ny firenena anondranana betsaka ny letisia eto Madagasikara.
# Nisokatra ny alatsinainy tamin’iny herinandro lasa teo iny ny fivoriambe iraisam-pirenena momba ny COP 29. I Azerbaïdjan no firenena mampiantrano ity fivoriambe ity. Voalaza fa vitsy ireo mpitondra na filoham-panjakana avy amin’ireo firenena samihafa no tonga nanatrika io fivoriana io. Mahakasika ny fampiharana ny fifanarahana antsoina hoe « Accord de Paris » manoloana ny fiantraikan’ny fiovaovan’ny toetany sy ny fiakaran’ny hafanana no dinihana amin’izany. Hanova zavatra eo amin’ny fampiharana io fifanarahana io ihany koa ny pôlitika vaovao hampiharin’i Etazonian taorian’ny fahalanian’ny filoham-panjakana vaovao Donald Trump.
Nangonin’i Ral
15 novembre 2024