🏨 ** Mahaliana - Environnement et Tourisme **.
🏝️ * À la recherche d'un lieu d'exception pour votre escapade? Plongez dans l'univers des hébergements charmants et des séjours inoubliables au cœur de cette destination enchanteresse.
Andranomafana-Antsirabe
Mahasarika mpitsabo tena sy mpizahatany Frantsay, Eraopeanina ary Kaomaoriana
[Raha atambatra ireo dia maherin’ny efapolo isam-bolana eo izany ny vahiny tonga eto Andranomafana, izany hoe efa aman-jatony isan-taona !]
Azo atao ny manakambana ny mahasoa sy ny mahafinaritra araka ny hita ao Andranomafana ao Antsirabe. Mahasarika mpitsabo tena sy mpizahatany Frantsay, Eraopeanina, ary Kaomaoriana ity toerana ity. Tafiditra ao anatin’ny toerana azo aleha anaovana fizahantany koa Antsirabe ka ankoatry ny ovy sy ny paoma dia anisan’ny mampahalaza azy koa ny fananany ranovisy sy ranomafana, ary ny toeram-pitsangatsanganana toa an’Andraikiba sy Tritriva. Noho ny fananany ireo rano sy farihy ireo aza no nahatonga ny nanomezana anarana azy hoe « Ville d’Eaux ». Tany aloha tany dia io anarany farany io mihitsy no karazana natao mari-pamantarana (emblème) rehefa misy taratasy miainga avy ao Antsirabe, izay ahitana ny fitomboky ny Paositra. Mbola hisy fotoana manaraka aoriana ao hiresahana manokana fotsiny momba ny toeram-pitsangatsanganana hafa toa an’i Tritriva, izay manana ny tantarany ihany koa. Eto dia ny momba an’Andranomafana aloha no vontoatin’ny lahatsoratra. Mahakasika izay dia nisy ny resadresaka nifanaovan’ny Gazety Voandalana Ami du Voyageur tamin’ny Dr Ramalanjaona Lisinirina Bakoly, Adjoint Technique du Centre National de Crenotherapie et de Thermoclimatisme(Andranomafana), tompon’andraikitra anisan’ny mpitantana ao Andranomafana.
Ireo Vahiny
Andranomafana Antsirabe dia miankina amin’ny fanjakana. Voalohany, natao ho an’ny olona marary mila fitsaboana manokana amin’ny alalan’ny ranomafana izy. Faharoa, mandray ireo olona mitsangatsangana na manao fizahantany fotsiny koa izy. Noho ireo antony ireo no mahatonga azy mahasarika teratany vahiny. Misy amin’izy ireo no tonga hanaraka fitsaboana, ao ny mpizahatany hitsangatsangana sady hilona amin’ny ranomafana. Araka ny fanazavana nomen’ny Adjoint technique, anisan’ny mitantana ny Centre, ny Dr Ramalanjaona Lisinirina Bakoly « Misy karazany roa ny zavatra atao ato. Voalohany, misy ny sampandraharaha natao hitsaboana. Ny faharoa dia ny sampandraharaha natao hisorohana ny aretina » . Antsoina hoe « Service de soins curatifs » moa ny sampandraharaha iray voalohany, ary « Service de soins préventifs et de bien-être » kosa ny faharoa. Ny olona tonga manaraka fitsaboana ato dia misy ireo alefan’ny dokotera nitsabo azy. Faharoa, misy olona naheno dia tonga fotsiny amin’izao. Fahatelo, misy ireo olona, izay ny fianakaviany na ny namany no nahalalany ity toerana ity, tonga manatona ato ihany koa. « Taloha saika olona avy lavitra no tonga eto. Ankehitriny ny mponina manodidina eto Vakinankaratra efa tonga eto », hoy ity tompon’andraikitra ity.
Mahery ny roapolo isam-bolana ny vahiny tonga manaraka fitsaboana eto Andranomafana. Mitovitovy amin’izay ihany, izany hoe maherin’ny roapolo isam-bolana eo koa ireo vahiny tonga hilona ao Andranomafana fotsiny. Tafiditra ao anatin’ireo vahiny ireo ny teratany malagasy monina any ivelany. Raha atambatra ireo dia maherin’ny efapolo isam-bolana eo izany ny vahiny tonga eto Andranomafana, izany hoe efa aman-jatony isan-taona ! Ny Kaomaorianina no betsaka indrindra amin’ireo vahiny manatona eto. Ankoatry ny kaomaorianina, ao koa ny Frantsay sy ny Eraopeanina. « Amin’izao fotoana izao dia misy avy any Frantsa efa manana rendez-vous tonga eto ».
Tsara kokoa
« Ity ranontsika ity mitovy amn’ny toetoetry ny ranomafana any ivelany ihany, saingy mbola manana ny mampiavaka azy », hoy ny Adjoint-technique anisan’ny mitantana ny toerana eto Andranomafana. « Nisy fotoana tonga teto ny Talen’ny « Sources Thermales » any Vichy, any Frantsa. Nilaza izy tamin’izay fa « naturel » (izany hoe voajanahary), kokoa ny ranomafana eto amintsika. Misy « contact humain » (na fifandraisana amin’ny olona) kokoa ny eto amintsika », hoy ihany ny fanampim-panazavana. Raha ambara amin’ny teny hafa dia tsara kokoa, mba tsy hilazana hoe tsara kalitao kokoa ny ranomafana sy ny eto Andranomafana mitaha amin’ny any ivelany. Voalaza tetsy aloha fa manana ranomafana koa ny ao Vichy any any Frantsa kanefa misy tonga manaraka fitsaboana eto ny Frantsay !
Tamin’ny 1870 !
Mba hanitsiana ny mety ho fahadisoan-kevitry ny olona dia tsara marihina fa tamin’ny andron’ny faha-mpanjaka, efa tamin’ny taona 1870 no nahitana voalohany ny fisian’ny ranomafana (sources thermales) teto Antsirabe. Izany hoe efa tranainy ihany ity toerana ity, ary tsy ny fitondrana frantsay nanomboka ny vanimpotoanan’ny fanjanahantany akory no nanorina azy io. Araka ny fanazavana nomen’ny Adjoint technique anisan’ny mitantana ny Centre ihany, ny Dr Ramalanjaona Lisinirina Bakoly ihany, dia « Misionera norveziana no nahita azy voalohany. Nalefa tany amin’ny laboratoire antsoina hoe Université d’Oslo any Norvège izy io. Dia hita tamin’izany fa « eau bicarbonatée sodique » ilay izy, misy calcium, misy magnésium. Azo itsaboana marary. »
Ny taona 1873 no nisy olona notsaboina voalohany teto Andranomafana, izay ny zanaky ny Praiministra Rainilaiarivony. Nisy fitsidihana nataon-dry zareo tany Fianarantsoa. Tao anatin’izay dia narary ny zanaky ny Praiministra. Nankininy tamin’ilay misionera norveziana io ny fitsaboana azy. Notsaboin-dry zareo tamin’ny alalan’ilay rano ilay narary. Sitrana ilay olona. Taorian’izay, nisy tranokely naorin’ny mpanjaka Ranavalona II sy ny fianakaviany teo Andranomafana. Nilona teo ny mpanjaka fa ny an’ny vahoaka nanaraka azy kosa fandomana tongotra no natao. Ny taona 1875, nanomboka nitsangana ny trano eny ambany dia nihitatra tsikelikely, niampy izay naorian’ny Frantsay tato aoriana.
Tohiny pejy VOAMAINTILANY15 novembre 2024
Andraharo
Môtô nifandona tamina fiarabe [Tohin'ny pejy MBAY LALANA]
Nitangorona nanatona nijery ny olona rehefa nahita io loza io. « Raha vao mahita olona mitangorongorona dia tsy maintsy « accident môtô » indray izay ! », hoy ny lehilahy iray nandalo nahita an’io. « Sao dia tokony hofoanana eto Madagasikara aza itony môtô itony », hoy ihany izy.
Matahotra
« Ny fiara indray izao no matahotra môtô eto amintsika fa tsy ny môtô no matahotra fiara », hoy kosa ny fanamarihan’ny olona iray. Raha ny fitsaran’ny olona dia matetika ny môtô foana no diso noho izy mitsofotsofoka sady misongona any amin’ny ankavanana indraindray. Samy manana ny heviny moa ny olona fa ny zavatra voalazan’ny manampahefana misahana ny famoivoizana kosa dia ny lozam-pifamoivoizana mahakasika môtô no tena betsaka eto Madagasikara. Ankoatr’izany, matetika itrangana lozam-pifamoivoizana môtô koa amin’iny Vahilavan’Ambohimanarina iny. « Lahitokana ny aina », hoy ny teny filamatra apetraky ry zareo mpiandraikitra ny fitsarana fiarakodia eto amintsika. « Carrosserie vatana » rahateo no iantsoana ny olona mitaingina môtô. Tsy misy tsara ohatra ny mitandrina, saingy rehefa ho avy ny loza, « tain’akoho aza », hono, mampibolisatra, ny «singam-bolo mandavo ny vositra », ary ny « patsa iray tsy omby vava », hoy ny fitenenana.
Ral
15 novembre 2024