🚗✈️ Voandalana au Quotidien · Nouveautés ✨
Magazine en ligne — Tourisme · Culture · Voyage · Artisanat · Actualités de Madagascar
TONTOLON'NY FANDRAHARAHANA :
Tanora Malagasy telo tafiditra ao amin’ny andiany 2026 an’ny "Fondation Tony Elumelu"
Ny Alahady 22 Martsa 2026 lasa teo, ny Fondation Tony Elumelu (TEF) no namoaka tamin'ny fomba ofisialy ny lisitr'ireo mpandraharaha afrikanina voafantina ho amin’ny andiany vaovao 2026.
Tanora malagasy misongadina telo, dia i Ando Randriamiandrisoa, Andriaina Rakotonirina ary Axel Amiraly, no tafiditra ao anatin’ny lisitra voafantina amin’ity andiany ity.
Voafantina manokana tao anatin'ny mpandray anjara mihoatra ny 265 000 manerana an’i Afrika izy ireo, izay manaporofo ny fahavitrihan’ny tanora sy ny fifaninanana avo lenta eo amin’ny sehatry ny fandraharahana.
Ity fandaharan’asa ity, izay manasongadina ny “fanavaozana maharitra”, dia hanohana laharam-pahamehana ireo tetikasa manana vinavina lehibe sy mety hampandroso ny toekarena.
Ireo mpandray anjara 3 200 voafantina dia hahazo fanohanana feno, ahitana famatsiam-bola 5 000 dolara tsy averina, fiofanana lalina momba ny fitantanana orinasa, ary fanaraha-maso akaiky avy amin’ireo mpanolo-tsaina matihanina.
Tanjon’izany rehetra izany ny hanampy ireo tanora hanova ny heviny ho lasa orinasa matanjaka sy maharitra, ary handray anjara amin’ny fanovana ny toekarena afrikanina.
Tsenaben'ny Asa sy ny Fiofanana :
Misy ny tanora tsy maintsy mitady vola aloha mba hamitany ny fianarany !
Marobe ireo tanora nitsidika ilay « Tsenaben'ny Asa sy ny Fiofanana », izay natao teny amin'ny Havoria-Anosy ny zoma sy ny sabotsy lasa teo. Iray amin'ireny ny tovovavy Irinah, izay nanaiky ny hiresahana sy hametrahana fanontaniana. Manana ny maripahaizana Master 1 ny tenany.
« Mbola hamita ny fianarako aho fa tsy maintsy mitady vola aloha », hoy izy raha naneho ny faniriany sy ny fikasany. Momba ny fitantanana (gestion) ny lalampiofanana narahiny ary mifandraika amin'izay koa ny asa tadiaviny.
Misy amin'ireo mpandray anjara sy manana tranoheva eto no mandefa teratany malagasy hiasa any ivelany. Ny tovovavy voalaza anarana eto dia manana faniriana ny ho any ivelany ihany koa, saingy « Mbola eto an-toerana aloha aho no mitady asa satria mila vola ny fandehanana any ivelany », hoy izy.
Marihina fa anisan'ireo nandray anjara tamin'ity hetsika ity ny Oniversite vahiny, ohatra ny Parul University avy any Inda. Misy ihany koa ny orinasa avy eto an-toerana, toy ny Habibo izany.