🚗✈️ Mbay Lalana 🧳🌺 - Laissez passer.

🛩️ *Quels moyens de transport privilégier pour explorer les trésors de cette île envoûtante? Découvrez les astuces et conseils pour un voyage inoubliable à travers ses paysages captivants.

EDITO : Voankazo an’Ala

Lohataona

Ao anatin’ny vanimpotoana antonony ny eto amintsika amin’izao, izany hoe tsy mangatsiaka be no sady tsy mafana be. Io ilay atao hoe lohataona raha ho an’ny faritra afovoantany. Marihina fa amin’ny ankapobeny dia mizara roa miavaka tsara ny vanimpotoana eto Madagasikara. Ny voalohany dia ny fahavaratra, izay mafana sady manorana, manomboka eo amin’ny tapaky ny desambra ka hatramin’ny tapaky ny avrily. Ny faharoa, ny ririnina, izay mangatsiaka sady maina, manomboka amin’ny tapaky ny volana avrily ka hatramin’ny aogositra. Vanimpotoana somary bebe rivotra koa rehefa amin’ny volana tahaka izao ny eto Madagasikara. Eo amin’ny lafiny volon’andro na toetry ny andro ankapobeny izay fa mbola manana dikany hafa koa ny lohataona ho an’ny tantsaha na mpamboly. Ny lohataona no fanombohana ny fiasana tany sy fambolena. Izay no nahatonga an’ilay ohabolana hoe “Mindrana angady lohataona, maniry ny tompony hiasa”. Vanimpotoana fampidiran-drano izao ho an’ny tantsaha sy mpamboly ao anatin’ny lemak’Antananarivo. Ny fambolena varialoha moa no karakaraina amin’izany. Ny dikan’izay, tsy miandry ranon’orana ny fambolena sy ny fanetsana vary aloha ka izay no antony mahatonga ny fampidiran-drano eny an-tanimbary efa nandeha. Misy anefa ny lamina sy ny fandrindrana miaraka ny fitsinjarana ny fampiasana rano ho an’ny mpamboly ao anatin’ny lemak’Antananarivo. Efa nanomboka ny tapaky ny volana Jolay tamin’ity taona ity izany, ary mitohy sy hifarana amin’ny faran’ity volana septambra ity. Fa misy ohabolana izay manao hoe “rehefa mety ny atao, na ny sahobakaka aza mampidi-dranonketsa!”

Mandrato

12 Septembre 2025

Huile d’arachide artisanale


Le rêve du « vita malagasy » de reconquérir
les consommateurs et le marché

[Il est à préciser que seule la presse est électrique tandis que les autres tâches se font encore manuellement.]

Madagascar était autrefois un grand producteur d'huile d’arachide, mais ce n'était plus le cas depuis la fermeture de la plupart des usines et entreprises de production locales. Par conséquent, la quasi-totalité de l'huile que les consommateurs peuvent acheter localement est, en général, soit de l'huile de soja ou de tournesol qui sont toutes importées. Malgré cela, l'huile d’arachide revient progressivement sur le marché, et rêve de reconquérir les consommateurs et le marché, mais elle est encore produite de façon artisanale et non industrielle. Cela nous amène à interviewer une responsable de la coopérative SOAMILA productrice de l' « huile d’arachide SOAM ». Il convient de noter que cette dernière a également participé à la 26 è édition de la foire Fier-Mada qui s'est tenue récemment à Antananarivo.

Plantation et transformation

La Coopérative SOAMILA, productrice d’huile d’arachide artisanale, est membre de l’Union de coopératives de Fianarantsoa, regroupant en son sein des planteurs d’arachides. Cela fait deux fois qu’elle a participé à la foire Fier-Mada. Comme elle l’a tenu à souligner, cela lui a donné l’occasion de trouver un point de vente.

Au sein de l’Union, il y a une coopérative de base qui produit les matières premières, tandis qu’une autre s’occupe de la transformation des graines d’arachide en huile destinée à la vente. La coopérative ne dispose pas de terrain de culture en commun. Par contre, au niveau des districts et communes, les membres, soit les agriculteurs, possèdent respectivement leurs propres terrains. Actuellement, il est à noter que la coopérative compte 192 membres qui se répartissent dans les districts suivants : Isandra, Ikalamavony, Ambalavao, et Fianarantsoa I. Par ailleurs, la coopérative travaille en partenariat avec le financement DEFIS. Ensuite, elle collabore aussi avec FDH qui met à sa disposition une machine. Il est à préciser que seule la presse est électrique tandis que les autres tâches se font encore manuellement.

Production et marché

La coopérative cultive quatre-vingt hectares d’arachide. Elle produit 30 litres d’huile d’arachide par jour. Cela fait environ quatre années qu’elle s’occupe de cette activité. Pour le moment, sa production est écoulée à Fianarantsoa laquelle se répartit dans trois grands magasins. Pour sa mise en vente, le produit devait respecter les exigences en termes de norme qualité. « Nous avons envoyé un échantillon de notre produit dans un laboratoire spécialisé à Antananarivo qui nous a délivré un certificat attestant qu’il est consommable », rassure la responsable de la coopérative que nous avons interviewé. Très enthousiaste, elle ajoute aussi : « Notre véritable souhait est, désormais, d'être présent partout à Madagascar. Le marché est encore très vaste, mais notre production est insuffisante »

Par ailleurs, elle conclut « Notre problème actuel, ce sont les machines. Le problème, c’est la capacité de production. Elle est encore faible. Si c’est encore suffisant pour Fianarantsoa, par contre notre production n’arrive pas à subvenir aux besoins du marché local. Mais comme notre vision est d’atteindre tout Madagascar, nous devons également étendre les surfaces cultivées, en collaboration avec l’Etat en ce qui concerne l’acquisition de terrains domaniaux cultivables ».

Optimiste quant à l’avenir de cette « huile d’arachide SOAM », la responsable espère que « Si on arrive à moderniser les équipements et à se doter d’une machine encore plus grande, le prix de notre huile sur le marché pourrait baisser ». Enfin, elle invite aussi ses compatriotes malgaches à consommer l’huile d’arachide « vita malagasy », vantant sa qualité « meilleure, elle n'est pas inférieure à celle qui est produite à l'étranger car c'est entièrement «bio ». « Elle nous aide, nous les Malgaches, à consommer car le prix est également raisonnable » ajoute-t-elle.

Description de l'image
Pour le moment, l’huile d’arachide SOAM est mise en vente à Fianarantsoa

Propos recueillis par Ami Ral

12 Septembre 2025

MAHASOA


Misy mampiasa ny tsindrona
tantely ho fitsaboana koa !

Tsy ampiasaina atao fanafody rehefa misy mikohaka ihany ny tantely. Ny tantely ranony no resahina amin’izany. Tsara ho fantatra fa misy mampiasa ny tsindrona tantely entina hitsaboana ihany koa! Rehefa miresaka tantely dia manondro ilay tantely biby no sady manondro ihany koa ny tantely ventiny fihinan’ny olona iny. Marina fa maharary ny voatsindron’ny tantely ka mahatonga ny olona miaro tena na mandositra tsy ho voan’izany. Raha be dia be koa ny tsindrona tantely dia mahasafotra ary mety mahafaty mihitsy. Rehefa mikohaka, toy ny mahazatra, efa fanaon’ny olona ny maka ranona tantely afangaro amin’ny sakamalaho dia sotroina. Azo atao fanafody vavony ihany koa ny tantely rehefa afangaro amin’ny vahona izy. Tany ivelany dia efa nisy ireo karazana aretina nanaovana fanandramana notsaboina tamin’ny alalan’ny tsindrona tantely ary nahazoana fahasitranana. Saingy, niteraka adihevitra ihany ity fomba fitsaboana iray ity teo amin’ireo manampahaizana sy mpitsabo sasany an-daniny, ary ireo mpampiasa ity fomba fitsaboana ity an-kilany.

Description de l'image

12 Septembre 2025

TOPIMASOM-BAOVAO

# Homarihina any Morondava amin’ny 27 septambra ho avy izao ny andro eran-tany ho an’ny fizahantany. Ny ONTM na Ofisim-pirenena momba ny fizahantany dia manentana ireo mpisehatra mpikambana ao aminy mba hanao tolotra “ package” manokana amin’io daty io, toy ny fivahinianana, tolotra ho an’ny daholobe, sns. Hifantoka amin’ny fitsidihana an’i Morondava ny tolotra,

# Ho tapitra amin'ny 30 septembre ho avy izao ny fe-potoana fifanarahana momba ny AGOA eo amin’i Madagasikara sy Etazonia. Marihina fa ny AGOAna African Growth and Opportunity Act (AGOA) dia fifanakalozana ara-barotra eo amin’ireo firenenena mikisaka izany. Nisy ny fivoriana ho fandrindràna ny fomba fiasa amin'ny fanaovana ady sisika momba ny fangatahana fanomezan-dalana maika ho an'i Madagasikara, ao anatin'ny fanohizana ny fifanakalozana ara-barotra maharitra amin'i Etazonia. Ity izay notanterahina tao amin'ny Masoivohon'i Madagasikara ao Etazonia, ary niarahan'ny delegasiona Malagasy ireo nikaon-doha tamin'ireo Firenena hafa voakasika izany toy ny "Lesotho, Kenya, Tanzanie ary Maurice".

# Tontosa tamin’ny herinandro lasa teo ny “Vitrine de Vakinankaratra” andiany faha-27. Tranoheva mahatratra 250 no nandray anjara tamin’izany, Nifantoka tamin’ny fitomboan’ny orinasa, antoky ny fampandrosoana maharitra ho an’ny faritra ny teny fanevan’ity foara ity.

Nangonin’i Ami Ral

12 Septembre 2025

Description de l'image

Commentaires