Ambositra
Malaza amin’ny “voasary siramamy”
[Fa tsy fahita afa-tsy ao Ambositra ihany koa ny antsoina hoe “voasary siramamy” na koa “voasary tantely”, izay ao Andina no anisan’ny mamboly azy io.]
Tsy ilay “Be resaka ohatra an’Ambositra”, araka ny fiteny nahazatra tany aloha ihany akory no ahalalana ity tanàna ity. Misy zavatra hafa tsara noho izany mampahalaza an’Ambositra. Tsy eo amin’ny lafiny taozavatra vita amin’ny sikotra hazo(zafimaniry) ihany io fa anisan’ny mampiavaka an’Ambositra koa ny voasary tantely.
Lalana
Eo amin’ny 90 kilaometatra atsimon’Antsirabe, izany hoe 260 kilaometatra miala an’Antananarivo no misy an’Ambositra. Rehefa mandeha amin’iny lalampirenenfa fahafito iny, na taksibrosy io, na fiara tsotra, dia tsy maintsy mandalo ny tanànan’Ambositra raha toa hianatsimo ho any Fianarantsoa, na ho any Toliara, na hianatsimo atsinanana. Mitovy tahak’izany ihany koa ho an’ny mpandeha avy any Atsimo hianavaratra hihazo an’Antsirabe, na Antananarivo.
Tantara
Ny tanana dia teo ambany fifehezan’ny fanjakana avy ao Antananarivo tany amin’ny voalohandohan’ny taonjato faha-18. Anisan’ny goverinora nalaza nitondra tao, ohatra, izany Andrianarivo izany. Ara-tantara, ny taona 1864 dia tao Ambositra no nalefa natao sesitany ny Praiminisitra taloha Raharo, izay rahalahin’ny Praiminisitra Railaiarivony ihany. Rehefa nanjaka Rasoherina dia naongany ny Praiminisitra Raharo(satria ity farany no nitarika ny fiokoana namonoana ny mpanjaka Radama II vadiny). Taorian’io dia Rainilaiarivony no nasolony ho Praiminisitra handimby azy.
Mamarana
Malaza ny voasarin’Ambohijafy ho an’Antananarivo. Eny Atsimondrano moa no misy azy. Fa tsy fahita afa-tsy ao Ambositra ihany koa ny antsoina hoe “voasary siramamy” na koa “voasary tantely”, izay ao Andina no anisan’ny mamboly azy io. Rehefa mijanonana kely na misakafo eo akaikin’ny tsenan’Ambositra ny olona mandeha fiara, na hianatsimo io na hianavaratra, dia mividy sy mivimbina kely “voasary siramamy” na “voasary tantely” atao voandalana. Amin’ny ankapobeny, raha saika efa lany daholo ny voasary avy amin’ny toerana sy ny faritra rehetra dia mbola misy ny voasary tantely avy ao Ambositra. Izy no mamarana ny fotoana fahavokaran’ny voasary eto Madagasikara isan-taona. Izany hoe rehefa eo amin’ny volana Aogositra-Septambra eo dia mbola misy ny voasary avy ao Ambositra. Araka ny filazan’ny mpivarotra azy dia azo hanina hatramin’ny hodiny ity karazana voasary ity satria azo atao fanafody ihany koa raha sendra voavoan’ny sery na gripa.
Ami Ral
12 Septembre 2025