🎭 ** Voamaintilany - Divers et divertissements**.

🏄♂️ *Prêt pour l'aventure et les activités sportives? Vivez des expériences uniques et des sensations fortes au cœur de paysages naturels d'une beauté rare.

Rn4-lalana mihotsaka


Miandry mahazo fotsiny sisa ny loza

Toa tsy misy taitra akory ny tsirairay na ny tompon’andraikitra izay voakasika mivantana aza manoloana ity lalana izay ahiana hitrangana loza mahatsiravina. Lalana RN4 eo anelanelan’Ambodimita sy Ambohidroa, izay miha-mihitatra sahala amin’ny sima misioka isan’andro ny fahavoazan’izany lalana izany. Hita fa na ny lalan’ny mpandeha an-tongotra aza efa mihotsaka any anaty tanimbary ka efa mipaka hamonjy ny arabe afovoany. Ny tsara homarihina dia mandalo eo daholo na fiara vaventy na madinika ary ny mpandeha an-tongotra ka izany indrindra no atahorana sy ahiana hisian’ny loza. Etsy ankilan’izay ny fisian’ireo vahiny izay mbola tsy mahatsikaritra izany. Ao anatin’izany ireo mpandeha alina. Manoloana io tranga io dia toa miraviravy tanana fotsiny ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny satria tsy misy na dia takelaka famantarana ny tsy tokony handehanana mafy sy hitandremana tsara rehefa mandalo izany lalana izany

Mandrato

09 Août 2024

Esy kely ange !


Fomba tsotra fisorohana mandoa rehefa mandeha fiara

Misy ny fitandremana na fepetra tokony harahina rehefa misy dia haleha, indrindra ho an’ny olona tsy mahazaka fiara. Mialoha sy mandritra ny dia haleha dia tsara raha tsy mihinana sakafo mavesatra, matavy na be menaka. Tsy dia tsara koa ny mihinana zavatra masiaka na misy sakay. Mandritra ny dia eny am-pandehanana raha toa ka efa misalebolebo te handoa dia alaina ny hodiboasary, potserina atao eo anoloan’ny vavorona. Misy koa ny manisika tahona afokafoka eo anelanelan’ny ravin-tsofina.

Ral

09 Août 2024

Zotra-Lignes et itinéraires


Zotra 119

Eo amin’ny 67 Ha no toerana fiantsonana fiafarana sady fiaingan’ny taksibe manao zotra 119. Mampitohy an’i 67 Ha amin’Ankatso ny zotra 119. Raha miainga eo amin’any toby fiantsonana 67 Ha ho eny Ankatso izy dia ireto avy ny toerana lalovany. Mandalo eny amin'ny 67 Ha atsimo izy, dia avy eo Andavamamba sy Ampefiloha. Miala eo izy dia mandalo an’Anosy, avy eo Mahamasina. Avy eo indray izy dia mandalo Ambohidahy, Ambohijatovo, Antsahabe, Ankorahotra, Tsiadana, ary mifarana eny amin’ny toeram-piantsonana eny Ankatso.

Ral

09 Août 2024

Mampitokiky


Tao an-dakilasy

Tao an-dakilasy no nitranga ny tantara. Tonga Ramose avy ihany. Mbola mpampianatra vaovao ny tenany ary voalohany ihany koa no andraisany ilay kilasy hampianarany. Mbola vahiny sady vao mianatra ny fiteny sy ny fomban’ilay tanàna sy faritra nandefasan’ny fanjakana azy koa izy. Koa satria moa fanaon’ny mpampianatra ny mandefa ankizy mpianatra eny amin’ny tabilao na solaitrabe dia nanontany izy sady niteny mafy hoe : « Qui va au tableau » ! Dia namaly ny zazalahy mpianatra iray niteny mafy hoe « Tsy misy kivà ato Ramose ! » sady nitsangana nivoaka. Dia gagagaga ilay mpampianatra ka nanontany ireo mpianatra hafa tao an-dakilasy hoe : « Fa naninona iny no nivoaka ? » . Dia niara-niredonaa namaly ny mpianatra tao an-dakilasy hoe « Alika Ramose no atao hoe kivà aty aminay ! » sady niara-nikakaka izy rehetra.

09 Août 2024

Fomba fiarahabana /Façon de saluer :

Mbôla tsara, Mbôla tsara é ! /Ça va ? Est-ce que ça va?

Akory lahaly é ! Andreo lahaly é ! / Est-ce que ça s’est bien passé la nuit ?

Tsarabe fanontsafa/Ça va bien, merçi

C’est une « façon de saluer » très courante et en usage, en général, parmi la population de la Région Atsinanana et Côte Est de Madagascar. Cependant, d’autres populations et régions la pratiquent aussi. Cela montre la richesse et la diversité culturelle de Madagascar.

Ohabolana malagasy/Proverbes :


« Ny hazo no vanon-ko lakana, ny tany naniriany no tsara »


« Si l’arbre devient une pirogue, c’est qu’il a poussé sur une terre fertile »

Description de l'image

Commentaires