EDITO :

Voankazo an’Ala


Fananana iombonana !

Hatraiza no mba fahatakaran’ny olona tsirairay ny atao hoe fananana iombonana ? Ohatra amin’izany ny arabe sy ny tetezana dia samy fananana iombonana. Voalohany, miankina amin’izay mety ho fahatakarana na ny fanabeazana ho olom-pirenena (éducation civique) azony no hanajàn’ny tsirairay sy hanomezany lanja ny atao hoe fananana iombonana.

Faharoa, mila tsapan’ny tsirairay koa fa ilaina izy ireny. Ny mampalahelo dia ohatra ny mbola marisarisa ny fahatakaran’ny maro sy ny fanomezany lanja izany. Tsy mahagaga, ohatra, raha mahita tetezana sasany efa bangabanga satria nalain’olona ny hazo sasany taminy natao kitay na nanamboarana sarety ho an’ny any ambanivohitra. Misy koa ireo vy alain’olona anamboarany zavatra na amidy. Fa amin’ny tanàn-dehibe toa an’Antananarivo aza moa dia ireny jiro fanazavana eny amin’ny arabe ireny no alain’ny sasany. Misy ohatra, arabe mba nametrahana ireny jiro fanazavana mandeha amin’ny herinaratra ireny kanefa lasa miverina maizina indray. Matetika dia ny bateria ao aminy no alain’olona raha toa ka jiro mandeha amin’ny angovo azo avy amin’ny masoandro ilay izy. Manampy amin’ny fitandrovana ny filaminana sy ny fandriampahalemana anefa ireny jiro ireny ary manome vahana ny olon-dratsy sy ny mpangalatra kosa ny tsy fisiany. Ny mponina mampiasa na akaikin’ireny fitaovana na fotodrafitrasa iombonana ireny dia manana adidy sy andraikitra eo amin’ny fiarovana sy ny fanaraha-maso izany. Efa fomba iray sahady hisakanana ireo olon-dratsy sy ny mpangalatra ny toy izany.

Mandrato

09 Août 2024

Commentaires