Fomba malagasy
Ny fanaovana « didimpoitra angalarina » !

Mbola vanimpotoana fanaovana didim-poitra izao ho an’ny Malagasy na dia efa azo atao foana aza izany mandavan-taona noho ny fandrosoana eo amin’ny lafiny siansa sy ny fitsaboana. Marina fa mbola saika manao didim-poitra na famorana zazalahy daholo ny Malagasy amin’izao, saingy mila fantarina kosa hoe natao nanaraka ny fomban-drazana na fanao mahazatra ve izany sa tsia ? Misy mantsy ny zavatra mivoatra vokatry ny fandrosoana nentin’ny vaninandro ankehitriny. Izay indrindra no idiran’ilay resaka hoe « angalarina » eto. Fa misy ve « didimpoitra angalarina » ary azo atao ve izany ? Fa nahoana moa no atao hoe « angalarina » ? F’angaha misy tompony ilay izy na misy manana fahefana tokony hahazoana alalana na fankatoavana izany ? Raha ny fomba nentim-paharazana mantsy, ny didim-poitra na ny famorana dia tsy raharahan’ny Ray aman-drenin’ilay zazalahy hoforana ihany, fa misy idiran’ny fianakaviana sy ny fiaraha-monina. Any amin’ny faritra sasany aza tsy fanapahan-kevitr’olon-tokana fa iraisan’ny foko iray manontolo ny fanaovana hasoavan-jaza. Toy izany, ohatra, ny antsoina hoe « Sambatra » fanao isaky ny fito taona any amin-dry zareo Antambahoaka amin’iny faritra Mananjary iny.

Mangingina na afenina

Rehefa tsy ambara amin’ny fianakaviana ilay didim-poitra fa atao amin’ny mangingina, izany hoe afenina, dia izay no atao hoe « angalarina ». Eo amin’ny Malagasy, ny didimpoitra dia tsy antony ara-pahasalamana ihany no anaovana azy fa vanimpotoana anankiray ampidirana ilay zaza eo anivon’ny fiaraha-monina. Vanimpotoana anehoana amin’ny fomba hita maso ary arahina lanonana fa manomboka izao dia lehilahy ilay zaza. Rehefa miatrikaa ilay tena fandidiana ilay zaza dia izay no mahatonga ny feo re manao hoe « lahy leitia ! » « lahy leitia ! » Fahiny, rehefa any an-tsekoly ka miaraka mandeha mivalandrano (mpipy) ny ankizilahy dia misy mifampijerijery raha mbola misy amin’izy ireo tsy voafora. Ary dia misy mihitsy ny manebaka samy maso hoe « Oay, leitia mbola tsy tapaka ! » Zavatra mahamenatra teo amin’ny fiarahamonina malagasy taloha mantsy izany hoe lehilahy tsy voafora satria tahaka ny tsy lehilahy no iheverana azy.

Amin’izao fotoana izao anefa dia lasa mitady ho raharahan’ny Ray aman-dreny miaraka amin’ilay zazalahy hodidina sy ny mpamora zaza na dokotera sisa ilay famorana. Efa hita manao ilay malabary kely iny ilay zaza vao gaga satria tsy re na fantatra akory ny nanaovana azy hoe oviana. Misy moa ireo Ray aman-dreny mba miala tsiny ihany. Misy efa mandeha mialoha ny fialan-tsiny, izany hoe mampilaza ihany fa hatao didim-poitra ny zanany lahy, saingy tsy atrehin’ny fianakaviana, tsy anasana olona. Misy efa aty aorian’ny nahavitany vao miala tsiny.

Mitovitovy amin’izany ihany ny tranga misy any amin’ny faritra sasany eto Madagasikara, toy ny any Alaotra, ohatra. Misy ireo miantso lehilahy antsoina hoe « Tsimandrombo » na « Tsimirombo ». Izy io dia mitovy amin’ny antsoina hoe « Rain-jaza » raha amin’ny faritra ampovoantany na Imerina. Lehilahy mandehandeha mitety tanàna izy io, mijery izay zazalahy mbola tsy voafora. Tampoka ny ahatongavany, ary amin’ny fomba tselatra no amorany ilay zazalahy amin’izany fa ifanarahana amin’ny Ray sy ny Renin’ilay zazalahy kosa. Tsy atrehin’iza na iza afa-tsy ilay lehilahy mamora sy ilay zaza ary ireo Rainy sy ny Reniny ihany no eo. Rehefa vita ilay izy dia vola karazany « hasintanana » ihany no omena ilay lehilahy namora ilay zaza.

Antony mahatonga ny sasany hanao ilay « didimpoitra angalarina » dia satria tsorina ny fanaovana azy. Tsy asiana lanonana na fombafomba. Tsy anaovana fanasana olona, eny fa na ny fianakaviana aza. Tsy manao fandaniana be. Mety izay, ohatra, no antony tsy ahitana olona tonga manao fangatahana alalana any amin’ny fokontany eto Antananarivo renivohitra intsony. Satria tsy anaovana lanonana ilay izy, araka ny fanadihadiana nomen’ny sasany tamin’ireny fokontany ireny.

Anaovana lanonana

Ankilan’io didimpoitra afenina na « angalarina » io anefa dia mbola misy ihany ireo anaovana lanonana. Toy izany, ohatra, ireny hita aseho mandihy eny an’arabe ireny. Saika mbola anaovana ireo fombafomba fanao amin’ny didimpoitra nentin-drazana izy io. Misy ny miloloha rano anaty tavoahangy, izany hoe « rano mahery ». Misy ny milanja fary. Babena atao atsangory ny zazalahy hoforana. Mialoha lalana ny lehilahy iray mitondra saina. Mialohan’ny anatanterahana ilay fandidiana no anaovana izany. Mahakasika ity didimpoitra anaovana lanonana sy entina mivoaka eny an’arabe ity anefa dia mety hizarazara ihany ny hevitra.

Vao tsy ela akory izay, indray alahady, tamin’ny faramparan’ny Jolay teo dia nisy ireo mpanao didim-poitra nanao filaharana sy nandihy teny an’arabe teto Andrenivohitra teto. Nitohana izaitsizy ny fifamoivoizana tamin’io. Matetika dia misy hatrany ny fitohanan’ny fifampivoizana toy izany rehefa mandalo ireny mpanao didim-poitra manao lanonana eny an’arabe ireny. Tamin’ity tranga voalaza eto ity dia naharitra minitra maromaro mihitsy. Farany, nisy olona iray mpandeha tao anatin’ny taksibe iray tratran’io fitohanana io tsy naharitra ka niteny hoe : « F’izy ity moa tsy hitan’ny olona raha tsy entina mivoaka aty amin’ny arabe ? ». Hoy koa ny mpandeha iray hafa tao anatin’ilay taksibe : « Misy miteny hoe « Fombandrazana tsy maintsy atao ! Tsy misy mandà fa samy manao izany daholo, saingy mba tsy entina mibahana arabe fotsiny ilay izy ».

« Didim-poitra faobe »

Manoloana ireo karazana didimpoitra anankiroa voalaza etsy aloha ireo anefa dia misy endrika fahatelo antsoina hoe « Didimpoitra faobe ». Miha-mahazo vahana izy io ankehitriny ary mitady ho lasa lamaody na fanao indray. Azo lazaina hoe eo anelanelan’ilay didimpoitra afenina sy angalarina ary ilay didimpoitra anaovana lanonana be izy io. Tsy azo afenina izy satria miaraka be eo daholo hitan’ny rehetra, saingy tsy anaovana lanonana sy fombafomba araka ny fomban-drazana ihany koa. Amin’ny ankapobeny dia ny dokotera ihany miaraka amin’ireo zazalahy hoforana, ary ireo mpikarakara sy ny Ray aman-drenin’ireo zaza no manatrika eo. Indraindray mahatratra any amin’ny telonjato ka hatrany amin’ny dimanjato any ny isan’ny zazalahy entina amin’ireny « didimpoitra faobe » ireny. Ny mpikarakara ihany no mandoa ny saran’ny fandidiana amin’ilay dokotera manatanteraka izany. Saika olona mpanao asasoa, na fikambanana no mikarakara ny fanaovana « didimpoitra faobe ». Misy koa anefa mpanao pôlitika mikarakara izany. Ny fahasahiranana ankehitriny no anisan’ny manosika ireo Ray aman-dreny sasany hitondra ny zanany lahy amin’ireny « didimpoitra faobe » ireny.

Fomba maoderina na amerikana

Amin’ny andro ankehitriny dia misy ihany ireo mbola manatona « Rain-jaza » rehefa hitondra ny zanany hatao didimpoitra. Efa mihavitsy anefa ny manao toy izany fa ny any ambanivohitra no mbola mety maromaro. Efa manaraka ny fandrosoana ny fandidiana ankehitriny ka misy ireo misafidy ny fomba maoderina, ao koa ny « à l’américaine » na fomba amerikana. Araka ny nambaran’ny dokotera iray nanaovana fanadihadiana dia misy eo amin’ny 2 na 4 isan-kerinandro eo ny zazalahy entina atao didimpoitra ao aminy raha volana Mey sy Aogositra, ary tafakatra 6 isan-kerinandro kosa izany ny volana Jona sy Jolay.

Eto am-pamaranana, ho fehin’izay rehetra izay, ny azo ambara dia mbola manao didim-poitra ny zazalahy avokoa ny Malagasy amin’ny ankapobeny noho izy fomban-drazana. Eny fa na ireo Malagasy monina any ivelany aza manao izany. Eo amin’ny fomba fampiharana azy kosa no samihafa. Misy ireo mbola anaovana lanonana, aseho an-karihary sy anasana olona. Ao kosa ireo manao izany mangingina, na « angalarina » mba hialana amin’ny fahasahiranana sy ny fandaniana. Misy ihany koa aanefa ireo anelanelan’ireo, izany hoe tsy miafina fa manatona ireny « didimpoitra faobe » ireny.

Description de l'image
Mitangorona mijery ireo mpanao didimpoitra mandalo sy mandihy eny an’arabe ny olona

Ral

09 Août 2024

Commentaires