EDITO :

Voankazo an’Ala


Lasibatra !

Vao herinandro lasa izay no nahamaizan’ny valanjavaboaharim-pirenena tao Isalo. Izao indray ity nisy sokatra amam-jatony tratra saika haondrana an-tsokosoko any ivelany. Voalohany, mahakasika ny tontolo iainana sy ny harem-pirenena daholo ireo. Faharoa, ny faritra atsimon’ny Nosy iny no lasibatra voalohany satria voakasika mivantana. Raha mbola asiana fanintelony aza dia samy nahitana trangana heloka tao anatiny ary nisy olona voasambotra. Tranga efa matetika mpiseho koa ireo, na io mahakasika ny fahamaizana na fandoroana ala sy valanjavaboahary arovana, na koa ity fanondranana an-tsokosoko sokatra ity. Raha tsy dia mazava loatra ny anton’ny mahatonga iry voalohany na hasomparana na inona, dia fantatra kosa ny anton’ny faharoa. Misy resaka vola ao ambadik’ity fanondranana sokatra an-tsokosoko ity, ary volabe fa tsy volakely. Tsy vitan’izay fa misy tambazotra koa miara-manatanteraka ity fikasana hanondrana sokatra an-tsokosoko ity. Izany hoe olona maromaro no miray tsokombakomba amin’ny fanatanterahana azy. Izay indrindra no mahasarotsarotra ny ady atao aminy satria karazany efa fikambanana matanjaka. Misy vahiny ao anatiny ary misy teratany malagasy koa tafiditra ao. Tsy ferana koa aza hoe mety misy tompon’andraikitra na mpiasam-panjakana miray antoka amin’izy ity satria raha olon-tsotra fotsiny sarotsarotsarotra ny hahatafavoahan’ireny sokatra ireny any ivelany. Izay antony mbola mety tsy maha-fongotra tanteraka azy io. Efa tsara aloha ny nanambaran’ny mpitondra fa ny famongorana io tambazotra io no tsy maintsy hatao

Mandrato

23 Août 2024

Commentaires