🎭 ** Voamaintilany - Divers et divertissements**.

🏄♂️ *Prêt pour l'aventure et les activités sportives? Vivez des expériences uniques et des sensations fortes au cœur de paysages naturels d'une beauté rare.

TRANGAM-PIAINANA

Vehivavy aho, ary tany amin’ny faritany no nipetraka teo aloha fa nifindra monina eto Antananarivo. Miasa aho ary mitokan-trano. Eny amin’ny kartie iray manodidina an’ Antananarivo-renivohitra aho no mipetraka. Taorian’ny nipetrahako teny dia nifankahita sy nifankatia tamina tovolahy iray mbola tsy manam-bady aho. Mbola zandriko kely ny taonany ary efa miasa izy. Toy izao ny tantarako. (Marihina etoana fa tsy misy fanononana mivantana anaran’olona eto, toy izany koa ny anaran’ny toeram-ponenana).

Ny anarako dia A., 27 taona. Somary nandalo olana aho, nandalo fiainana, voafitaka, ohatr’izay. Nisy olona niaraka tamiko, efa ela izahay no niaraka. Dia niaraka teny foana izahay. Dia izy niteny hoe tia ahy. Dia izy mahafantatra ny momba ahy rehetrarehetra, ny tantarako, ny zavatra efa lasa. Dia niaraka teny foana izahay. Fa izahay tsy niray trano. Izaho nitokan-trano irery. Dia izy moa mamangy ahy indraindray. Dia manampy ahy izy indraindray amin’ny hofantrano, ohatra hoe rehefa manana fahafahana izy fa izy miasa. Tato afara moa, tsy haiko hoe nangatsiatsiaka ve ilay fitiavana, dia avy eo fantany koa hoe mitoe-jaza aho. Dia lasa tsy dia hita matetika intsony izy. Dia mbola mifandray moa izahay amin’izao fa tsy tena ohatra ny taloha. Fa ohatra ny mifamaly, miady rehefa miresaka, rehefa mifampiantso. Dia lasa ohatra ny mahalana izahay sy izy no mihaona tato ho ato izay, dia mahalana koa no miresaka. Ohatra ny hoe, eny atao hoe voafitaka ihany aho. Izy mbola tsy manam-bady, izy mbola zandriko smin’ny taona fa efa miasa. Izahay tsy mbola niray trano mihitsy.

Izy tsy mbola niteny tamiko hoe halainy vady aho. Efa niresaka izahay sy izy hoe ahoana izany no hatao ? Rehefa miresaka momba ny fandaniana sy ohatr’izay, dia izy niteny hoe hanampy. Nanampy teo ihany izy fa taty afarafara, vao haingana izy no tsy nandalo tany amiko mihitsy koa. Moa lazainy fa hoe sahirana amin’ny asany izy. Marihina fa mbola tsy misy herintaona fa efa amam-bolana no niarahanay.

Efa fantany aho hoe mitoe-jaza. Izaho izao vao hiomana hiantso azy fa izy mahita olana foana. Tamin’ny voalohany aloha vao fantany hoe bevohoka aho dia efa niresaka izahay sy izy hoe ahoana aloha no hatao ? « Miteraka aloha », hoy izy, « vita ihany fa eo amin’ilay famelomana azy… ». « Ahoana aloha izany no hataontsika », hoy aho, « amin’izao aloha ». Izaho efa niteny azy hoe « tsy maninona anie », hoy aho, « na tsy hivady aza isika fa rehefa manampy ahy fotsiny ianao amin’ny rehetrarehetra amin’ilay zaza dia efa tsy maninona. Fa izaho tsy hanery anao mihitsy hoe tsy maintsy hivady ». Eto Antananarivo izy(ilay lehilahy) no miasa. Izy manana asa tsara sady mbola tsy manam-bady. Mifanalavitra ny toerana ipetrahanay(na dia samy eto Antananarivo). I A. no anaran’ilay lehilahy. Efa hitan’ny olona teny amin’ny manodidina ny trano ipetrahako izy fa mbola tsy hitan’ny Neninay.

Dia amin’izao aloha izany tena hoe manontany azy foana aho dia miandry izay fanapahan-keviny. Satria raha ny praogramako dia hidina any amin’ny tanàna nihaviako aho dia hiresaka amin’ny Neninay. Dia i Neninay niteny hoe ampahafantaro ahy ilay rain-janakao. Tsy any amin’ilay hoe manaiky hiseho na inona fa any amin’ilay resaka zaza fotsiny aloha izao no nitenenako azy hoe hanampy dia handray andraikitra. Dia mbola tsy namaly izy. Dia tsy tiako raha vao amin’ny telefaonina fa izahay sy izy miresaka mivantana mihitsy. Ohatra ny tsy mbola haiko tsara izay tena heviny amin’izao fa ohatra ny mbola mihanahana.

Tsy sosotra izy rehefa naheno ahy hoe bevohoka. Ohatra ny nanao sarisarinteny aloha izy hoe « Tezaina izany raha ohatra ka izany no misy ». Dia ilay izy anie, hoy aho, tsy vita vava amin’izao fotsiny fa rehefa tena vonona ianao dia… « Dia ao fa hanampy eo ihany aho », hoy izy. Tsy haiko fa ohatr’izay moa ilay olona. Dia avy eo tsy haiko izay tena noeritreretiny tany hoe ahoana na ahoana. Dia izao izy mbola somary tsy dia henoheno aloha. Fa izy mbola mifandray amiko ihany. Izaho koa tsy dia manakorontana be azy. Fa miresaka milamina aminy foana aloha aho.

Atao hoe nametrapetraka izany izy satria izy nilaza hanampy. Dia teny dia « andraso aloha, miandry kely aloha », hoy izy. Izy anie tsy mandà fa lasa ohatra ny hoe mihatakataka izany. Fa izy fotsiny ilay heviny izany ohatra ny tsy mbola tena mipetraka tsara fa hoe « Aoka aloha ! » « Miandry kely aloha ! »

Atao hoe nahatsiaro voadona ihany aloha aho. Akana lesona ilay izy. Satria ohatra ny hoe ny fahafantarana ilay tantarako tany aloha dia ohatra ny miampy fanararaotana ihany ilay izy. Dia izay no angalana lesona amin’ilay izy aloha. Izaho aloha tsy dia hoe manantena be na miankina be aminy intsony. Fa tsy maintsy miezaka aho izany. Izaho no mandray andraikitra. Tsy maintsy mijoro aho. Mandra-pahaterako mahavita miasa foana aho.

Ny hafatro, misy aloha ho an’ny lehilahy dia misy ho an’ny vehivavy. Ho an’ny lehilahy, misy izany, ohatra ny hoe tsy haiko, manararaotra ve ? Miaraka amin’ilay vehivavy dia avy eo sendra misy olana kely dia ariany ilay vehivavy. Dia ilay vehivavy no ohatra ny hoe miady irery eo. Dia raha vehivavy indray ilay izy, mila mijery tsara alohan’ny handehanana. Fa ho an’ny vehivavy mbola tsy voa mihitsy, alohan’ny handehanana dia mila mijery tsara alohan’ny hiarahana amin’ilay olona fa tsy hoe maimaika. Dia mila mahay mitondra tena izany ny vehivavy.

Vendredi 17 Janvier 2025

Description de l'image

Commentaires