Ody havandra-Ambohitrimanjaka


Tsy maintsy manaja ny fady ny mponina

Fomba fanao mahazatra mandritra ny vanimpotoana fahavaratra hiarovana ny fambolena eto Ambohitrimanjaka ny fampiasana ody avandra, ataon’ireo manam-pahasoavana manokana. Samy manana ny fomba fanaovany azy anefa izy ireo, ary miara-miasa hitsinjovana ny voka-bary.

Fomba

Misy ireo mandroaka ny avandra amin’alalan’ny donaka, ao ny miantsoantso, mampiasa hazo voatokana androahana azy “Ny anay izao eto rehefa hita hoe mitady hanavandra dia tondroina amin’ity hazo ity,ary ahilika amin’ny toerana tsy misy fambolena”, hoy ity mpanao ody havandra iray. Io no tsy maintsy hisian’ny fiaraha-miasa ka faritana mialoha ny faritany harovana. “Arovana ny tanàna rehetra eto Ambohitrimanjaka fa rehefa misy havandra tena henjana dia ny vary ihany no tsy maintsy harovana”, hoy hatrany izy.

Fady

Mialoha ny hahatongavan’ny fahavaratra, misy ny fanidy apetraka ny amin’ny tsy maintsy hanajan’ny mponina ny fady rehetra. Ohatra amin’izany ny tsy tokony hanaovana baolina, ny fampiadiana vato, ny kanety, ny fitondrana elo eny an-tanimbary amin’ny fotoana mahamaitso ny vary. Tsy maintsy jerena any amin’ny mpanandro ny andro tsara handatsahana ny fanidy. “Iny izany tsy maintsy atao mifanambina amin’ny fambolena”, hoy Dadah mpanandro. Samy manana ny fadiny kosa ny mpanao ody havandra tsirairay, araka ny fombany. Zava pady iraisana ny tontolo miantso.

Tsy maintsy miara miasa noho izany ny mpanandro sy ny mpanao ody havandra, izay miisa 4 eo izy ireo eto Ambohitrimanjaka mba hitsinjovana ny fahatsaran’ny vokabary.

Description de l'image
Misy ireo karazana fadifady asaina tandreman’ny mpamboly eny Ambohitrimanjaka amin’ny tanimbariny ary tafiditra amin’ny fampiharana ny ody havandra(sary tahiry)

Fana

Vendredi 17 Janvier 2025

Commentaires