Destination Madagascar - Face à l’épreuve sanitaire, le tourisme de croisière résiste encore !
🍇 ** Sakamalaho sy havozo - Produits et terroir **.
🥘 *Plongez dans l'univers des saveurs exotiques et des mets traditionnels qui éveilleront vos papilles : découvrez les secrets culinaires de cette destination gourmande.
« Découvrez nos articles récents et Archives »
« OFFRES »
Paoma :
MBOLA TSY HITA MITOBAKA ENY AN-TSENA HATRAMIN’IZAO !
[Fa nankaiza daholo ireo paoma fahita sy nalaza taloha hatramin’izay?]
Volana janoary isika izao. Mbola tsy hita mitobaka eny an-tsena ihany ny paoma hatramin’izao! Tsy hoe mbola tsy fotoanany kosa izao. Na hatao hoe vao manomboka miakatra izy izao. Rah any fahita mahazatra tany aloha, any amin’ny volana desambra dia efa manomboka misy paoma amidy eny an-tsena. Ireny no ilay antsoina hoe paoma krismasy. Tsy izany anefa no zavatra hita raha tsy hilaza afa-tsy ny desambra farany teo ho an’ny taom-pamokarana 2025-2026.
Tsena
Saika manodidina ny 5000 ariary eo daholo izao ny vidin’ny paoma iray kilao raha ny hita eny amin’ny tsena eto Antananarivo renivohitra. “Eny Anosibe (tsena) no akanay ny paoma. Vidina 20 000 ariary ny iray kesika. Rehefa amin’ny fotoana fahabetsahany dia midina eo amin’ny 3000 ariary ny iray kilao”, hoy ny mpivarotra iray tamin’ny andro tsenan’i Mahamasina. Somary latsaka kokoa noho ny paoma moa ny vidin’ny poara, izay samy amidy eny an-tsena koa amin’izao. Asa inona no mahatonga izany ?
Fihenana
Fa nankaiza daholo ireo paoma fahita sy nalaza taloha hatramin’izay? Maro karazany izy ireny teo aloha. Ny zava-misy ankehitiriny anefa, sady mihatara ny fahatongavany eny an-tsena no tsy mitobaka firy mba tsy hilazana hoe mihena ny vokatra, toy izany koa ny kalitao sy ny karazany. Misy ny antsoina hoe paoma varimasaka, izay tsy mitovy amin’ny paoma mamy tsotra. Tato aoriana dia efa saika ity farany sisa no betsaka amidy eny an-tsena fa tsy misy firy intsony ny paoma varimasaka. Efa voalaza tery aloha ny paoma krismasy, izay ny volana desambra sy rehefa akaiky fetin’ny krismazy no fiakarany. Mitovitovy ihany ny paoma krismasy sy ny antsoina hoe paoma “reinette”. Misy ihany koa ilay paoma marikivy kanefa na io aza tsy dia misy firy intsony. Ny paoma golden mbola misy ihany na dia efa tsy mitovy amin’ny taloha intsony koa aza ny kalitaony.
Mpamokatra
Tsy ovy ihany fa faritra tena mpamokatra paoma hatramin’izay koa ny ao Vakinankaratra. Anisan’ny mitana ny laharana voalohany amin’ireny ny ao Soanindrariny, toy izany koa iny Ambano iny sy ny hafa. Tany amin’ny vanimpotoanan’ny fanjanahantany no tena niroborobo be ny fambolena sy famokarana paoma. Nisy mihitsy ny fikambanana sy fanohanana akaiky nataon’ny fanjakana tamin’izany. Tato aoriana, rehefa tonga ny fahaleovantena dia mbola niroborobo ny famokarana paoma tao Vakinankaratra satria nisy ny orinasa mpanodina ny vokatra ho lasa ranimboankazo tamin’ny alaln’ny orinasa SOJUFA. Nikatona moa ilay orinasa tato aoriana.
Tantsaha maro no mahazo fidirambola avy amin’ny famokarana paoma ao Vakinankaratra. Efa tsy mitovy amin’ny tany aloha intsony izany ankehitriny. Inona no antony? Sao dia efa miha-antitra kosa ny fototra paoma? Na izany na tsy izany, efa misy orinasa hafa indray ankehitriny manodina ny paoma ho lasa ranomboankazo, izay amidy eny amin’ireny magazay lehibe “Grande surface” ireny ny ankamaroan’ny vokatra. Misy ihany koa ireo manodina ny vokatra paoma atao kaofitira, na hamainina, sns. Noho izany dia azo tehirizina tsara izy fa tsy voatery ho simba rehefa voaodina ho zavatra hafa.
Ami Ral
Tourisme :
Le secteur hôtelier en difficulté !
[Si l’on pourrait dire que Carlton est l’image du secteur hôtelier donc représente ce dernier, alors le problème n’est pas un cas isolé mais serait également connu par d’autres établissements hôteliers.]
L’hôtel Carlton serait-il en faillite ? S’il en est ainsi, on pourrait supposer que le secteur hôtelier est actuellement en difficulté à Madagascar. Symbole du prestige hôtelier à Antananarivo, l’hôtel Carlton, anciennement connu sous le nom de Madagascar Hilton, traverse aujourd’hui une zone de fortes turbulences. Depuis le début du mois de janvier, l’établissement a fait la une de l’actualité non pas pour son luxe ou ses événements mondains, mais pour une grève de ses employés, inquiets pour leur avenir. Au cœur de la contestation : une mise en chômage technique annoncée par la Direction générale, justifiée par une situation financière présentée comme proche de la faillite. Mécontents, les employés ont réclamé le départ du Directeur Général.
Autre crise
Cette situation survient au moment où Madagascar vient d’être secoué par une crise et en subit encore les conséquences. D’autant plus que si certaines entreprises ne se sont pas encore relevées, une autre crise fait son irruption et ne fait que l’aggraver. Il s’agit de la crise sanitaire dû à la propagation de l’épidémie de la variole du singe connue sous le nom Mpox. Si l’on pourrait dire que Carlton est l’image du secteur hôtelier donc représente ce dernier, alors le problème n’est pas un cas isolé mais serait également connu par d’autres établissements hôteliers.
Pourtant, le Carlton n’a pas toujours été synonyme de difficultés. Son histoire est intimement liée à celle de l’hôtellerie de luxe dans la capitale malgache. Inauguré sous le nom de Madagascar Hilton, l’établissement incarnait pendant des décennies l’ouverture du pays au tourisme d’affaires et haut de gamme. Situé au bord du lac Anosy, il était un lieu emblématique accueillant chefs d’État, diplomates, hommes d’affaires et grands événements. Son changement de nom en Carlton n’a pas effacé cet héritage, même si le contexte économique et concurrentiel a profondément évolué.
Resilience
Aujourd’hui, cet héritage semble mis à rude épreuve. Car au-delà du cas Carlton, c’est bien la question de la résilience de l’hôtellerie malgache qui se pose. Comment soutenir un secteur stratégique pour l’économie nationale, pourvoyeur d’emplois et vitrine du pays à l’international, face à des crises à répétition ? La réponse ne pourra être uniquement individuelle. Elle nécessitera des politiques publiques adaptées, une stratégie touristique cohérente et une meilleure anticipation des risques sanitaires et économiques. L’avenir dira si l’hôtel Carlton parviendra à surmonter cette tempête ou s’il restera comme le symbole d’un secteur en grande difficulté.
Ami Ral
Lemak’Antananarivo :
Efa ao anatin’ny fijinjana vary aloha !
Efa ao anatin’ny fijinjana varialoha izao ny tantsaha ato anatinùny lemak’Antananarivo. Misy aza ny sasany efa voatery nanao izany mialoha noho ny tahotra ny fahabetsahan’ny rano vokatr’ireny rotsak’orana nisesy teo aloha teo.
Tany amin’ny taona 1960 tany, raha ho an’ny ato anatin’ny faritanin’Antananarivo dia toy izao ny voalazan’ny IRD, izay Sampandrahara frantsay momba ny fikarohana, mikasika ny fambolem-bary sy ny vary aloha: “ Ny fifandimbiasan'ny fanetsana, manomboka amin'ny volana Aogositra ka hatramin'ny faran'ny volana Desambra, izay arahan’ny fijinjana mifampitohy manomboka amin'ny volana Janoary ka hatramin'ny volana Mey, dia tombony lehibe ho an'ny fambolena izay voafetra ihany ny enti- manana. Na izany aza, ny fijinjana manomboka amin'ny volana Janoary ka hatramin'ny volana Martsa dia matetika voasembatsembana vokatry ny rotsakorana betsaka mandritra ireo telo volana ireo. Ny karazana Rojomena, izay ambolena betsaka indrindra, dia mandrakotra ny 35 isanjaton’ny tanimbary, izay eo amin'ny 42 000 hekitara eo ho eo. Vary mena mamokatra izy io ».
Mikasika izay ihany, ny volana aogositra-septambra no fanetsana ary ny volana janoary-febroary kosa no fijinjana. Anisan’ny mbola mampiavaka an’Antananarivo amin’ny samy renivohitra dia noho izy voahodidina tanimbary. Manampy amin’ny ampahany amin’ny famatsiana ny mponin’Antananarivo renivohitra ny vary vokatra avy aminy. Na dia saika ataon’ny mpamboly sakafo aza ny ankabeazan’ny vokatra dia misy ampahany ihany amidy eny an-tsena ka mahatonga ny vidim-bary midina amin’ny fiakaran’ny vokatra.
Ami Ral