Destination Madagascar - Face à l’épreuve sanitaire, le tourisme de croisière résiste encore !

🚗✈️ Mbay Lalana 🧳🌺 - Laissez passer.

🛩️ Quels moyens de transport privilégier pour explorer les trésors de cette île envoûtante ? Découvrez les astuces et conseils pour un voyage inoubliable à travers ses paysages captivants.

« Découvrez nos articles récents et Archives »

« OFFRES »

EDITO : Voankazo an’Ala

Voankazo…voarara !

Mbola fantatry ny taranaka ankehitriny ve ny atao hoe “voankazo nandrarana” ? Ireo niaina tany aloha sy ireo zokinjokiny dia saika mahafantatra daholo raha vao tenenina ny hoe “ voankazo nandrarana”. Tsy inona akory fa paoma no tiana hotenenina amin’izany. Araka ny lovantsofina dia noheverin’ny olona tany aloha fa paoma ilay voankazo nandrarana ireo olona mpivady voalohany nonina tao amin’ny Saha Edena, dia tsy iza izany fa i Adama sy Eva. Avy amin’ny fihinanana io “voankazo voarara” io angaha hono no nahatonga ilay eo amin’ny traotraoka eo amin’ny tendan’ny lehilahy nantsoina hoe “Pomme d’Adam”, adika hoe “Paoman’i Adama” amin’ny teny Malagasy ! Mahagaga fotsiny, marobe ireo karazana voankazo fa nahoana moa no tonga dia natao hoe paoma izy io ? Lovantsofina ihany izany fa ao anatin’ny vanimpotoana fiakaran’ny voankazo izao ny eto Madagasikara. Ny manga moa efa faramparany sisa no hita, toy izany koa ny letisia. Ny paiso sy ny poara izao no efa mitobaka. Efa misy ihany koa ny paoma amin’izao fa mbola vitsivitsy. Mbola ho avy ihany koa ireo voankazo hafa. Fa mikasika ny paoma no iverenana. Somary mahagaga ihany izy io fa lasa toa mihena, no mihatara, ary ny kalitao koa eo ho eo ihany. Tsy hoe noho izy noheverina ho voankazo…voarara akory! Efa misy lahatsoratra hafa moa miresadresaka ny momba azy io ato amin’ity laharan’ny Voandalana ity. Ara-bakiteny, tafiditra ao anatin’ny voandalana tokoa ny paoma ho an’izay mpandeha avy any amin’iny faritr’ i Vakinankaratra iny, izay malaza amin’ny famokarana paoma. Ahoana no azo anazavana izao tranga hita momba an’i Paoma izao? Paoma aloha no voaresaka eto fa mety efa ahitana toy izany koa amin’ireo voankazo hafa ka mila fandinihana ihany.

Mandrato

TAMBOHON’NY NTAOLO MALAGASY:


HARENA NENTIM-PAHARAZANA

Ny tambohon’ny Ntaolo Malagasy dia nanana ny fomba fanamboarana manokana izay nifototra tamin’ny fampiasana fitaovana nentim-paharazana sy teknika voajanahary. Nifanaraka tamin’ny tontolo iainana sy ny harena voajanahary nanodidina azy ireo ireo fomba ireo. Ireto avy ny sasantsasany tamin’ireo teknika nampiasain’ny razantsika tamin’ny fanamboarana tamboho.

1. Tamboho vita amin’ny vato (Tamboho vato)

Fitaovana nampiasaina : vato lehibe sy madinika, fotaka na fasika.

Nifantina vato mafy toy ny granita na bazalta ny Malagasy, avy eo nametaka azy araka ny endrika mifanaraka amin’ny firafitry ny tamboho. Ny vato sasany dia notapahina tsara mba hifanaraka tsara amin’ny toerany.

Raha tsy nisy simenitra, dia nampiasaina ho toy ny “lavenona” na “lahy” ny fotaka na fasika mba hamatotra sy hampifandray ireo vato.

Ohatra amin’ny tamboho vato nentim-paharazana :

  • 🔹 Tambohon’Andrianampoinimerina tao Ambohimanga.
  • 🔹 Tamboho Rova any amin’ireo toerana manan-tantara.

2. Tamboho vita amin’ny hazo (Tamboho hazo)

Fitaovana nampiasaina : hazo mafy (ala, hazomena, hazondandy).

Hazo lava sy mafy no nofidiana, toy ny hazo fotsy na famelona, ary natao mitsangana tao anaty tany. Raha tamboho manify kosa, dia hazo kely sy lavalava no naorina amin’ny endrika mifampitohy, ka nohamatorana tamin’ny tsihy na havanana.

: Mbola maro no manao tambohon’ny ntaolo ety Antanetibe-Mahazaza
Mbola maro no manao tambohon’ny ntaolo ety Antanetibe-Mahazaza.

Ho fanamafisana ny fiarovana, dia nasiana tsilo na rantsan-kazo maranitra teo amboniny.

Ohatra amin’ny tamboho hazo :

  • 🔹 Tamboho amin’ny tanànan’ny Bara sy Antandroy, natao hiarovana amin’ny biby na fahavalo.
  • 🔹 Tamboho ravinala any amin’ny faritra be ala, indrindra any Atsinanana.

3. Tamboho vita amin’ny fotaka sy tany (Tamboho fotaka)

Fitaovana nampiasaina : tany mena, bozaka, fotaka na fasika, hazo.

Ny tany dia nangonina ary nampifangaroina tamin’ny rano sy bozaka mba hahazoana fotaka matevina. Raha tiana ho mafy sy mateza kokoa ny tamboho, dia nasiana katsaka maina na ahitra.

Natao bata lehibe ilay fangaro, ary naorina tsikelikely tahaka ny rindrina.

Ohatra amin’ny tamboho fotaka :

  • 🔹 Trano sy tamboho Betsileo (vita amin’ny fotaka sy hazo).
  • 🔹 Trano Antaimoro (vita amin’ny tany mafy sy bozaka).

4. Tamboho vita amin’ny fasika sy bozaka (Tamboho bozaka)

Fitaovana nampiasaina : fasika, bozaka lava (vodivona, ravinala).

Nalaina tany amin’ny lemaka na honahona ny bozaka, avy eo nohamafisina sy notsentsina tamin’ny fasika mba tsy hihintsana. Ity karazana tamboho ity dia tena fahita amin’ireo faritra be ahitra, indrindra any amin’ny faritra atsimo.

Ohatra amin’ny tamboho bozaka :

  • 🔹 Tamboho any amin’ny faritra Antanosy sy Mahafaly.

Famaranana

Ny tambohon’ny Ntaolo Malagasy dia nifanaraka tanteraka tamin’ny toerana sy ny fitaovana nisy teo an-toerana. Naneho faharanitan-tsaina sy fahaiza-mamorona izy ireo tamin’ny fampiasana vato, hazo, tany, fotaka ary bozaka mba hananganana rindrina matanjaka sy maharitra.

Amin’izao fotoana izao dia mbola hita any amin’ny faritra sasany eto Madagasikara ireo tamboho nentim-paharazana ireo, ary mijoro ho porofon’ny maha-sarobidy sy maha-manankarena ny kolontsaina Malagasy.

Yves Rindra

TOY NY AHOANA NY FIHETSIKY NY MPANDEHA SY NY MPIANTSENA MANOLOANA NY FEPETRA ARA-PAHASALAMANA NOHO NY NENDRAN-DRAJAKO

: Toby fiantsonana Fasankarana ny andron’ny Alakamisy 15 janoary 2026
Toby fiantsonana Fasankarana ny andron’ny Alakamisy 15 janoary 2026
Fidirana Toby fiantsonana Fasankarana ny andron’ny 15 janoary 2026
Fidirana Toby fiantsonana Fasankarana ny andron’ny 15 janoary 2026
: Tsena Mahamasina ny andron’ny Alakamisy 15 janoary 2026
Tsena Mahamasina ny andron’ny Alakamisy 15 janoary 2026
Misy ny mailo dia efa manao arovava sy orona
Misy ny mailo dia efa manao arovava sy orona
Description de l'image

Commentaires