Destination Madagascar - Face à l’épreuve sanitaire, le tourisme de croisière résiste encore !
🚗✈️ Voandalana ami du voyageur 🧳🌺 - Magazine en ligne.
Voandalana Ami du Voyageur, namana mahatoky manampy eo amin’ny dia atao, fizahan-tany, vokatry ny tany, ary ny asa tanana
Voandalana Ami du Voyageur, compagnon fidèle au service du voyage, tourisme, des produits du terroir, et de l’artisanat
Voandalana Ami du Voyageur, a faithful companion serving travel, tourism, local products, and crafts
« Découvrez nos articles récents et Archives »
« OFFRES »
Paoma :
MBOLA TSY HITA MITOBAKA ENY AN-TSENA HATRAMIN’IZAO !
[Fa nankaiza daholo ireo paoma fahita sy nalaza taloha hatramin’izay?]
Volana janoary isika izao. Mbola tsy hita mitobaka eny an-tsena ihany ny paoma hatramin’izao! Tsy hoe mbola tsy fotoanany kosa izao. Na hatao hoe vao manomboka miakatra izy izao. Rah any fahita mahazatra tany aloha, any amin’ny volana desambra dia efa manomboka misy paoma amidy eny an-tsena. Ireny no ilay antsoina hoe paoma krismasy. Tsy izany anefa no zavatra hita raha tsy hilaza afa-tsy ny desambra farany teo ho an’ny taom-pamokarana 2025-2026.
Tsena
Saika manodidina ny 5000 ariary eo daholo izao ny vidin’ny paoma iray kilao raha ny hita eny amin’ny tsena eto Antananarivo renivohitra. “Eny Anosibe (tsena) no akanay ny paoma. Vidina 20 000 ariary ny iray kesika. Rehefa amin’ny fotoana fahabetsahany dia midina eo amin’ny 3000 ariary ny iray kilao”, hoy ny mpivarotra iray tamin’ny andro tsenan’i Mahamasina. Somary latsaka kokoa noho ny paoma moa ny vidin’ny poara, izay samy amidy eny an-tsena koa amin’izao. Asa inona no mahatonga izany ?
Fihenana
Fa nankaiza daholo ireo paoma fahita sy nalaza taloha hatramin’izay? Maro karazany izy ireny teo aloha. Ny zava-misy ankehitiriny anefa, sady mihatara ny fahatongavany eny an-tsena no tsy mitobaka firy mba tsy hilazana hoe mihena ny vokatra, toy izany koa ny kalitao sy ny karazany. Misy ny antsoina hoe paoma varimasaka, izay tsy mitovy amin’ny paoma mamy tsotra. Tato aoriana dia efa saika ity farany sisa no betsaka amidy eny an-tsena fa tsy misy firy intsony ny paoma varimasaka. Efa voalaza tery aloha ny paoma krismasy, izay ny volana desambra sy rehefa akaiky fetin’ny krismazy no fiakarany. Mitovitovy ihany ny paoma krismasy sy ny antsoina hoe paoma “reinette”. Misy ihany koa ilay paoma marikivy kanefa na io aza tsy dia misy firy intsony. Ny paoma golden mbola misy ihany na dia efa tsy mitovy amin’ny taloha intsony koa aza ny kalitaony.
Mpamokatra
Tsy ovy ihany fa faritra tena mpamokatra paoma hatramin’izay koa ny ao Vakinankaratra. Anisan’ny mitana ny laharana voalohany amin’ireny ny ao Soanindrariny, toy izany koa iny Ambano iny sy ny hafa. Tany amin’ny vanimpotoanan’ny fanjanahantany no tena niroborobo be ny fambolena sy famokarana paoma. Nisy mihitsy ny fikambanana sy fanohanana akaiky nataon’ny fanjakana tamin’izany. Tato aoriana, rehefa tonga ny fahaleovantena dia mbola niroborobo ny famokarana paoma tao Vakinankaratra satria nisy ny orinasa mpanodina ny vokatra ho lasa ranimboankazo tamin’ny alaln’ny orinasa SOJUFA. Nikatona moa ilay orinasa tato aoriana.
Tantsaha maro no mahazo fidirambola avy amin’ny famokarana paoma ao Vakinankaratra. Efa tsy mitovy amin’ny tany aloha intsony izany ankehitriny. Inona no antony? Sao dia efa miha-antitra kosa ny fototra paoma? Na izany na tsy izany, efa misy orinasa hafa indray ankehitriny manodina ny paoma ho lasa ranomboankazo, izay amidy eny amin’ireny magazay lehibe “Grande surface” ireny ny ankamaroan’ny vokatra. Misy ihany koa ireo manodina ny vokatra paoma atao kaofitira, na hamainina, sns. Noho izany dia azo tehirizina tsara izy fa tsy voatery ho simba rehefa voaodina ho zavatra hafa.
Ami Ral