Destination Madagascar - Face à l’épreuve sanitaire, le tourisme de croisière résiste encore !
🚗✈️ Voandalana ami du voyageur 🧳🌺 - Magazine en ligne.
Voandalana Ami du Voyageur, namana mahatoky manampy eo amin’ny dia atao, fizahan-tany, vokatry ny tany, ary ny asa tanana
Voandalana Ami du Voyageur, compagnon fidèle au service du voyage, tourisme, des produits du terroir, et de l’artisanat
Voandalana Ami du Voyageur, a faithful companion serving travel, tourism, local products, and crafts
« Découvrez nos articles récents et Archives »
« OFFRES »
Dite sakamalaho sy veromanitra :
Mitondra vokatsoa maro ho an’ny vatana !
Amin’izao fiandohan’ny volana janoary izao, mila fitandremana manokana ny vatana, indrindra taorian’ireo sakafo mavesatra sy ny havizanana nateraky ny fety nifanesy. Manampy betsaka amin’ny fanamaivanana ny vatana sy ny fanarenana hery ny fisotroana dite sakamalaho sy veromanitra, izay efa fanao hatry ny ela amin’ny fitsaboana nentim-paharazana. Ity zava-pisotro voajanahary ity dia manampy amin’ny fanadiovana ny ao anaty sady manome tanjaka hiatrehana ny andro mafana sy mando.
Fahasalamana
Ny fampifangaroana ny sakamalaho sy ny veromanitra atao dite dia mitondra tombontsoa maro ho an’ny fahasalamana.
Voalohany, manatsara ny fandevonan-kanina izy io. Rehefa avy nihinana sakafo matavy na be menaka nandritra ny fety, ny sakamalaho dia manampy amin’ny famporisihana ireo enzymes digestives. Mampihena ny fahavontoan’ny kibo (ballonnements) ary manala ny fahatsapana mavesatra sy reraka rehefa avy misakafo.
Faharoa, miaro amin’ireo aretina mahazatra amin’ny fahavaratra ny dite sakamalaho sy veromanitra. Mandritra izao vanim-potoana ahitana orana sy fiovan’ny toetr’andro izao, mora miparitaka ireo viriosy madinika sy ny fahatsapana mangatsiaka tampoka. Manana fiasa anti-inflammatoire matanjaka ny sakamalaho, raha manana fiasa antiseptique kosa ny veromanitra, ka manampy amin’ny fanadiovana ny taovam-pisefoana sy ny taovam-pandevonan-kanina.
Fahatelo, manome hydration sy fanavaozana hery ity dite ity. Ny veromanitra dia fantatra amin’ny fiantraikany mampitony, manampy amin’ny fanalefahana ny adin-tsaina ary mandrindra ny hafanan’ny vatana. Ny fisotroana dite sakamalaho sy veromanitra dia manome rano ilain’ny vatana sady manaitra sy manome tanjaka azy.
Fomba fikarakarana sy fisotroana azy
Tsotra ary mora atao ny fikarakarana ny dite sakamalaho sy veromanitra. Ampangotrahina ny rano iray litatra. Rehefa mangotraka dia arotsaka ao ny tahona veromanitra roa, efa notapatapahina. Ampidirina manaraka izany ny sakamalaho manodidina ny 30 grama, voasasa tsara ary voakiky, tsy voatsatsika.
Saromana ny vilany ary avela hitanika mandritra ny dimy minitra. Rehefa izay dia esorina amin’ny afo ary avela hipetraka folo minitra mba hivoahan’ny tsirony sy ny otrikaina rehetra. Tatavanina tsara ny dite rehefa vonona.
Alohan’ny hisotroana azy dia azo ampiana tantely kely sy silaka voasary makirana araka ny tiana. Tsara raha misotro kaopy iray eo ho eo 20 minitra alohan’ny hisakafoanana, mba hanomanana ny vavony sy hanamora ny fandevonan-kanina.
Zava-pisotro tsotra nefa manankery ny dite sakamalaho sy veromanitra. Rehefa ampidirina amin’ny fahazarana andavanandro, dia manampy betsaka amin’ny fikajiana ny fahasalamana sy ny fahaveloman’ny vatana, indrindra amin’izao fiandohan’ny taona izao.
Yves Rindra