🚗✈️ Mbay Lalana 🧳🌺 - Laissez passer.
🛩️ *Quels moyens de transport privilégier pour explorer les trésors de cette île envoûtante? Découvrez les astuces et conseils pour un voyage inoubliable à travers ses paysages captivants.
EDITO : Voankazo an’Ala
Fifamoivoizana
Maromaro ihany ny vaovao mahakasika na misy ifandraisany amin’ny tontolon’ny fifamoivoizana niseho tamin’iny herinandro lasa teo iny. Iray amin’izay, ohatra, ny fahazoan’ny kaompaniam-pitaterana an’habakabaka malagasy fiaramanidina vaovao hanampy ireo efa eo am-pelatanany. Ny faharoa manaraka izany, eo koa ny fahazoan’ny Antokon-draharaha malagasy misahana ny fifamoivoizana an’habakabaka naoty tsara. Marihina fa io Antokon-draharaha io no fahefana manome fankatoavana sy manara-maso ny fisidinana amin’ny habakabaka eto Madagasikara. Fahatelo, nisy ny hetsika fanentanana momba ny fisorohana lozam-pifamoivoizana an-tanety notontosaina teto an-drenivohitra. Miompana na mifandray amin’ny fifamoivoizana daholo ireo no mandamina sady manatsara io sehatra io . Misy ny fenitra tokony arahina mahakasika izany. Miantoka ny fahalavorarian’ny fifamoivoizana sy ny sehatry ny fitaterana ihany koa izy mazava ho azy. Tsy mijanona hatreo anefa, misy fiantraikany eo amin’ny lafiny fizahantany koa ireo rehetra nambara ireo. Tsiahivina fa anisan’ny fototra iorenan’ny fizahantany ny fitaterana sy ny fifamoizana. Rehefa lavorary sy azo antoka ny fifamoivoizana ary koa ny fitaterana dia mandeha tsara ny fizahantany. Miditra ao anatin’ny vanimpotoanan’ny fizahantany ho an’ity taona 2025 ity isika eto Madagasikara amin’izao. Manahoana ny fiomanana ataon’ireo mpisehatra samihafa mahakasika izany.
Mandrato
Vendredi 11 Avril 2025
Lozam-pifampivoizana
Mitana ny laharana voalohany eo amin’ny fahafatesan’ny tanora malagasy
[Mahakasika izay ihany dia fantatra ihany koa fa mitana ny laharana voalohany io trangana fahafatesana vokatry ny lozam-pifamoivoizana io eo amin’ny tanora malagasy eo anelanelan’ny 15 ka hatramin’ny 24 taona, ary laharana faharoa ho an’ireo tanora eo anelanelan’ny 25 ka hatramin’ny 35 taona.]
Mampieritreritra. Voalaza fa mitana ny laharana voalohany eo amin’ny fafatesan’ny tanora eto Madagasikara ny lozam-pifamoivoizana. Nivoitra izany nandritra ny hetsika fanentanana fisorohana ny lozam-pifamoivoizana notanterahina teto Antananarivo renivohitra ny herinandro teo iny. Ny tena manaitra mahakasika io tranga io dia ambony hatrany ny isan’ireo tanora matin’ny lozam-pifamoivoizana io ho an’i Madagasikara raha mitaha amin’ny any Eraopa, eny fa na aty Afrika aza. Mila ho isan’andro no ahitana trangana fahafatesana ateraky ny lozam-pifamoivoizana eto Madagasikara. Avo dimy heny amin’ny hita ao Frantsa, ary avo telo heny amin’ny ao Eraopa ity trangana fahafatesana eo amin’ny tanora vokatry ny lozam-pifamoivoizana ity ho an’i Madagasikara. Mahakasika izay ihany dia fantatra ihany koa fa mitana ny laharana voalohany io trangana fahafatesana vokatry ny lozam-pifamoivoizana io eo amin’ny tanora malagasy eo anelanelan’ny 15 ka hatramin’ny 24 taona, ary laharana faharoa ho an’ireo tanora eo anelanelan’ny 25 ka hatramin’ny 35 taona.
Fehinkibo sy « casque »
Fantatra ihany koa fa ny môtô no mitana ny laharana voalohany amin’ny lozam-pifamoivoizana eto Madagasikara. Anisan’ny antony tena mahatonga izany , araka ny fanazavana, dia noho ny tsy fametahana irony fehinkibo fiarovana(ceinture de sécurité) irony. Eo koa ny tsy fitondrana satroka fiarovana (casque) ho an’ireo mitondra môtô.
Tsiahivina fa nisy ny hetsika fanentanana mahakasika ity fisorohana lozam-pifamoivoizana ity natao tamin’ireo tanora mpianatra eny anivon’ny sekolim-panjakana teto Antananarivo renivohitra, toy ny Lycée Moderne eny Ampefiloha izany. Nikarakara sy nitarika ity hetsika fanentanana ity moa ny solontenam-panjakana nahitana ireo minisitra tompon’andraikitra avy ao amin’ny minisiteran’ny fitaterana sy ny famantarana ny toetry ny andro, ary ny avy ao amin’ny minisiteran’ny fahasalaman. Niaraka tamin’izy ireo koa ny solontenan’ny Firenena mikambana eto Madagasikara.
Ami Ral
Vendredi 11 Avril 2025