Lozam-pifampivoizana


Mitana ny laharana voalohany eo amin’ny fahafatesan’ny tanora malagasy

[Mahakasika izay ihany dia fantatra ihany koa fa mitana ny laharana voalohany io trangana fahafatesana vokatry ny lozam-pifamoivoizana io eo amin’ny tanora malagasy eo anelanelan’ny 15 ka hatramin’ny 24 taona, ary laharana faharoa ho an’ireo tanora eo anelanelan’ny 25 ka hatramin’ny 35 taona.]

Mampieritreritra. Voalaza fa mitana ny laharana voalohany eo amin’ny fafatesan’ny tanora eto Madagasikara ny lozam-pifamoivoizana. Nivoitra izany nandritra ny hetsika fanentanana fisorohana ny lozam-pifamoivoizana notanterahina teto Antananarivo renivohitra ny herinandro teo iny. Ny tena manaitra mahakasika io tranga io dia ambony hatrany ny isan’ireo tanora matin’ny lozam-pifamoivoizana io ho an’i Madagasikara raha mitaha amin’ny any Eraopa, eny fa na aty Afrika aza. Mila ho isan’andro no ahitana trangana fahafatesana ateraky ny lozam-pifamoivoizana eto Madagasikara. Avo dimy heny amin’ny hita ao Frantsa, ary avo telo heny amin’ny ao Eraopa ity trangana fahafatesana eo amin’ny tanora vokatry ny lozam-pifamoivoizana ity ho an’i Madagasikara. Mahakasika izay ihany dia fantatra ihany koa fa mitana ny laharana voalohany io trangana fahafatesana vokatry ny lozam-pifamoivoizana io eo amin’ny tanora malagasy eo anelanelan’ny 15 ka hatramin’ny 24 taona, ary laharana faharoa ho an’ireo tanora eo anelanelan’ny 25 ka hatramin’ny 35 taona.

Fehinkibo sy « casque »

Fantatra ihany koa fa ny môtô no mitana ny laharana voalohany amin’ny lozam-pifamoivoizana eto Madagasikara. Anisan’ny antony tena mahatonga izany , araka ny fanazavana, dia noho ny tsy fametahana irony fehinkibo fiarovana(ceinture de sécurité) irony. Eo koa ny tsy fitondrana satroka fiarovana (casque) ho an’ireo mitondra môtô.

Tsiahivina fa nisy ny hetsika fanentanana mahakasika ity fisorohana lozam-pifamoivoizana ity natao tamin’ireo tanora mpianatra eny anivon’ny sekolim-panjakana teto Antananarivo renivohitra, toy ny Lycée Moderne eny Ampefiloha izany. Nikarakara sy nitarika ity hetsika fanentanana ity moa ny solontenam-panjakana nahitana ireo minisitra tompon’andraikitra avy ao amin’ny minisiteran’ny fitaterana sy ny famantarana ny toetry ny andro, ary ny avy ao amin’ny minisiteran’ny fahasalaman. Niaraka tamin’izy ireo koa ny solontenan’ny Firenena mikambana eto Madagasikara.

Description de l'image
Ny maika hisongona ny eo aloha sy ny fandehanana mafy koa anisan’ny mitera-doza

Ami Ral

Vendredi 11 Avril 2025

Commentaires