🎨 ** Hairaha - Art et Business **.
🎭 *Explorez les trésors artistiques et artisanaux locaux, reflets de la culture et de la créativité de cette terre aux multiples facettes.
Faly Arthur
Tsy tafaverina miaramila, lasa nanao taksibisikileta taorian’ny « confinement »
Fomba fitaterana vaovao teraka teto Antananarivo taorian’ny « confinement » na fihibohana noho ny covid 19 ny taksibisikileta. Zary lasa asa fivelomana vaovao ihany koa izy na dia mbola mety mizarazara aza ny hevitra mahakasika azy. Nifanojo tamina mpanao fitaterana amin’ny taksibisikileta antsoina hoe Faly Arthur izahay ato amin’ny gazety Voandalana Ami du Voyageur. Asa mitaky herim-batana izy. Eo amin’ny 1000 ariary ka hatramin’ny 5000 ariary ny « course » iray ary manodidina ny 10 000 ariary farany tsy mahita ka hatrany amin’ny 30 000 ariary ny vola azo anatin’ny iray andro. Mbola tena am-perin’asa mihitsy i Faly Arthur tamin’io fotoana io satria mitady « client », izany hoe olona hotaterina teny amin’ny manodidina ny Gara Makis Andohatapenaka. Nanaiky hiresadresaka taminay izy ka tamin’izany no nahafahana namantatra zavatra maro mahakasika ny taksibisikileta sy ny fiainan’ny mpanao fitaterana amin’ny taksibisikileta.
VAV(Voandalana Ami du Voyageur) : Firy ny olona taterinao anatin’ny iray andro fara-fahakeliny
Faly Arthur : Anatin’ny iray andro fara-fahakeliny olona folo eo ho eo.
VAV : Ny halaviran-dalana vitanao anatin’ny iray andro mety firy fara-fahakeliny dia firy fara-fahabetsany.
Faly Arthur : Fara-fahakeliny ny lalana vitako anatin’ny iray andro tsy latsaky ny 100 kilaometatra.
VAV : 100 kilaometatra anatin’ny iray andro ! Tsy be dia be ve izany
Faly Arthur : Lavitra ihany izany. Satria izaho izao mipetraka Ambohitrimanjaka. Raha Ambohitrimanjaka manketo Makis (Gare routiere io) tsy maintsy ataoko isan’andro isan’andro. Tsy haiko Ambohitrimanjaka manketo Makis mety hoe firy kilaometatra. Dia isan’andro aho tsy maintsy manketo amin’ny Makis. Dia ohatr’izay ny hariva tsy maintsy mody any aho isan-kariva. Dia matetika eto aho mandeha Ambodivona. Dia avy any Ambodivona indray aho mbola miverina eto. Dia raha mahita olona fanindroany indray aho eto, ohatra mankeny Ampitatafika, na « Fasan’ny Karana » (Gare routière). Mandroso sy miverina izay. Dia ataontsika kajy firy kilaometatra izay ? Dia avy eo indray aho, ohatra, mahita Anosy indray izany, na Anosibe. Matetika ny olona maka bus eo Anosibe, dia mandeha manatitra Anosibe. Indraindray manatitra eny Itaosy, tonga eny amin’ny Farmasia eny mihitsy izahay. Matetika izay kokoa ny olona misy eto. Matetika mahita olona manao « livraison » izahay, eto ny depara, dia miodina eny amin’ny Pochard. Avy eny amin’ny Pochard mankeny amin’ny « Petite Vitesse ». Mitsofoka any Anosibe izahay matetika. Avy eo miverina eny Ambodinisotry, dia miverina aty. Ohatr’izay ny « course » ataon’ny olona mandeha amiko eto matetika anatin’ny iray andro.
VAV : Ilay olona miainga eto izany olona tonga avy nandeha sa…
Faly Arthur : Misy tonga avy mandeha. Misy mpiasa ato mihitsy. Betsaka izao ny mpiasa ato mandeha mody mandeha aminay.
VAV : Manomboka amin’ny firy maraina ka hatramin’ny firy hariva izany
Faly Arthur : Ny « course » -nay izany, ho ahy manokana, mivoaka aho amin’ny 6 ora maraina. Mody aho amin’ny 7 ora sy sasany, indraindray amin’ny 7 ora (hariva) aho tonga ao an-trano.
VAV : Ity izany anao mihitsy fa tsy hofana akory
Faly Arthur : Ahy ity
VAV : Ankoatran’ity ve ianao mampiasa hafa koa
Faly Arthur : Ity ihany ny ahy
VAV : Tsy hoe mampanofa akory
Faly Arthur : Misy ny olona mampanofa fa izaho manokana tsy mbola manana ampanofaina.
VAV : Dia ireny mampanofa ireny ohatrinona isan’andro
Faly Arthur : 5000 ar isan’andro
VAV : Fa ianao manana eritreritra hoe mety hampitomboina ilay izy
Faly Arthur : Manana an’izay eritreritra izay aho hoe hampitomboina ilay izy. Satria betsaka be ny kajy raha hoe mampanofa ianao misy ho anao ilay izy, misy hiveloman’ny olona koa ilay izy. Betsaka be ny te hanao fa noho ny fahalofosan’ny piesy(pieces de rechange) dia tsy afaka manao an’ilay izy le olona. Izaho manokana izao mahita ankizy maromaro mihitsy manao hoe « Te hanao izahay ». Nefa ny fahalafosan’ny piesy lafo dia lafo. Ilay bisikileta efa be lafo satria bisikileta iray izao efa valerana 5 millions raha ohatra an’izao ahy izao, 6 millions (fmg)…Misy efa 8 millions aza ny Peugeot anankiray.
VAV : Hoy ianao teo hoe fara-fahakeliny moa izany anatin’ny iray andro rehefa tena tsy mahita dia eo amin’ny ohatrinona eo
Faly Arthur : Fara-fahakeliny anatin’ny iray andro 50 000 (fmg). Izany hoe mividy sakafo izany ianao aty, mihinana sakafona 15000 (fmg), 20000(fmg) eo ho eo, dia mba mitondra 30000(fmg) mody izany ianao.
VAV : Dia rehefa tena mahita be indraindray dia tafakatra hatrany amin’ny ohatrinona
Faly Arthur : 150 000 (fmg)
VAV : Fotoana ohatra ny inona no tena hoe betsaka ny mpandeha
Faly Arthur : Le fotoana aloha izany
VAV : Andro fety ve sa andro inona
Faly Arthur : Andro fety aloha izany no tena be olona. Rehefa andro fety betsaka ny taksibe tsy miasa. Misy ilay fitohatohanana isan-karazany dia matetika ny olona mandeha bisikileta foana. Misy koa olona maika, mitady bisikileta amin’ilay mitsofotsofoka. Bisikileta izany afaka mitsofotsofoka kokoa mitaha amin’ny moto raha lalana teritery.
VAV : Ianareo izany manao an’ity, ianao ve tonga dia nahay « code de la route » sa hoe vao eny am-pandehanana no nianatra
Faly Arthur : Ilay « code de la route » izany aloha efa noteneniko anao hatramin’izay efa nivelona tamin’ny bisikileta fa izany hoe tsy nanao taksibisikileta fotsiny. Dia efa fantatra ihany ny « code » moa taty aoriana efa niaina tamin’ilay fampiasana lalana amin’izay ianao. Dia mahafantatra ny « code » rehetrarehetra hoe iza ny « priorite », aiza ny « sens unique ».
VAV : Dia ahoana ianareo sy ny polisy, sa hoe tsy maninona
Faly Arthur : Maninona tena maninona zareo
VAV : Inona ilay ataony
Faly Arthur : Ny ataon’ny polisy izany, ohatra hoe saziany ianao mipetraka amin’ny toerana tsy azo ijanonana. Ohatra hoe « Arrêt taxibe » izao, ianao tsy mahazo alalana hipetraka amin’ny « Arrêt taxibe » dia saziany ianao raha tratrany eo. Dia ohatra hoe ao anatin’ny « voie rapide » izao sy ny « voie normale » dia saziany ianao raha ohatra ka mijanonjanona, na miditra ao amin’ny « voie rapide ». Satria ianao izany efa mahafantatra hoe tsy mitovy ny tanjaka (chevaux) ampiasaina. Dia an’ny aotomobilina ny « gauche », izany hoe « priorité » tsy maintsy hoe mba afaka mandeha mafy amin’ny « voie rapide », dia malefadefaka amin’ny « voie normale ». Dia ny moto izany manarakaraka, ny bisikileta amin’ny « à droite » foana.
VAV : Dia ianareo ve isan’andro angalan’ny pôlisy vola sa ahoana
Faly Arthur : Izahay tsy angalan’ny pôlisy vola isan’andro. Izahay koa tsy manao kolikoly. Izahay koa tsy tapahana. Fa rehefa tratrany ihany izahay manao fihoaram-pefy amin’ny zavatra tokony tsy atao. Satria ianao efa mahafantatra ny zavatra tokony tsy atao hoe inona ny zavatra tokony atao dia inona ny zavatra tokony tsy atao. Dia iny aloha izy mamely amin’iny.
VAV : Dia ahoana kay ny « securité »-ny olona mandeha aminareo ? Ilay olona ve tsy matahotra hoe na « accident » na mety hoe voaendaka rehefa avy eo ? Satria misy resaka ohatra an’izany mantsy.
Faly Arthur : Misy ka ! Misy ohatra mitelefonina ilay olona, eny ambony bisikileta ilay olona mitelefonina dia voaendaka. Iny aloha izany mba efa teneninao ilay olona hoe mandalo faritra tsy azo itelefonena. Dia ianao no mampahafantatra hoe « tandremo ny zavatra entinao ». Fa ilay misintona mivantana kosa aloha, ohatra tonga dia angalarin’ny olona mivantana raha entina ohatr’izao ianao, tsy misy. Fa ny zavatra tandrevadrevaka izany mba itenenana ampahafantarina ilay olona.
VAV : Dia ny « assurance » ny fiarovana ny tenany na ny ainy rehefa eny am-pandehanana, na « accident », na ohatra an’izany, ahoana ? Sa ilay olona efa zatra dia matoky izy fa tsy haninona
Faly Arthur : Ilay olona efa zatra dia matoky fa tsy haninona. Moa ilay olona koa izany mijery an’ilay hoe matomatotra.
VAV : Ianareo izany mety hoe efa misy « client » matetika efa mpandeha aminareo
Faly Arthur : Efa misy ilay « client » mahafantatra hoe nandeha taminao indray mandeha izy dia nahafapo azy ilay fomba fitondranao. Nahafapo azy ilay fomba fandehanao. Izy koa rehefa hitany tena mandefa mafy loatra dia miteny hoe « mba ento moramora », na maika izy dia miteny hoe « ento mafy ». Iny moa izany miankina amin’ilay olona hoe « Izaho tena mba maimaika kely fa mila mafimafy isika. Dia iny vao mandeha izy dia miteny aminao hoe « Misy piesy ve isika ? Ianao ve tsy misy piesy ? Mahazo tsara ny « frein »
VAV : Eo amin’ny firy kilaometatra isan’ora eo hoy ianao no vitan’ny bisikileta
Faly Arthur : Ny vitan’ny bisikileta isaky ny adiny iray tokony hahavita 20 kilaometatra raha tsy misy olona, moa 15 kilaometatra raha mitondra olona.
VAV : Dia ny fahitanao azy ve mahavelona tsara ny manao an’ity zavatra ity
Faly Arthur : Mahavelona ilay taksibiskileta raha ohatra ka tsy misy enjikenjika
amin’ny mpitandro ny filaminana sy ny ohatr’izany.
Resadresaka nangonin’i Ral
02 Août 2024