EDITO : Voankazo an’Ala

Misy hafa koa !

Tsy vitan’ny hoe nalaza ilay fidinan’ny filoham-pirenena teny amin’ny seranampiaramanidina eny Ivato farany teo fa mbola nisy akony hatramin’izao. Tao ireo faly nahita izany, indrindra ireo izay efa niharan’ny zavatra hafahafa teo amin’ny fahatongavana sy ny fisavana ny bagazy nentiny. Mety ho mifanohitra amin’izay ny akony tany amin’ireo mpiasa tompon’andraikitra voakasika sy voateniteny, indrindra ireo niharan’ny fanasaziana. Ho an’ireo tsy mpandeha eny Ivato na fiaramanidina aloha dia sady tsy ho hahatsapa loatra mba tsy hatao hoe tsy miraika firy amin’izany satria tsy mahakasika azy. Izao anefa, misy toe-javatra fahita sy mpitranga matetika koa iainana eo amin’ny sehatry ny fitaterana sy ny fifamoivoizana an-tanety fa tsy an’habakabaka ihany. Iza no tsy mahalala ny atao hoe « manotra » ? Tsy vitsy amin’ireo mpitondra fiara tsotra no efa niharany. Fa indrindra ireo mpamily fiara mpitatitra olona sy entana. Mba tsy hitenenana ilay teny mahamenatra sy mahavoasazy dia teny hafahafa tsy dia mivantana loatra araka ny toetra sy ny fombantsika malagasy ihany no niantsoana azy hoe « manotra ». Fomba fakana vola tsy ara-dalàna amin’ny mpitondra fiara rehetra ataon’ny mpitandro filaminana eo am-pitandroana ny fifamoivoizana io. Matoa ampiasaina io teny io dia misy izany ilay izy. Ny tranga fahita mampitaraina ny mpitondra fiara sy mpanao fitaterana mantsy dia misy zavatra anazasiana azy kanefa tsy misy antony mazava. Lasa voatery na terena an-kolaka hanao fifampiraharahana ilay mpamily dia manome vola avy eo tsy hampiharina aminy indray ilay sazy. Tokony hojeren’ny manampahefana ambony koa ny momba azy io.

Mandrato

02 Août 2024

Commentaires