🎭 ** Voamaintilany - Divers et divertissements**.

🏄♂️ *Prêt pour l'aventure et les activités sportives? Vivez des expériences uniques et des sensations fortes au cœur de paysages naturels d'une beauté rare.

Mahamay ny andro


Tena be mpampiasa ny satroka amin’izao

[Ambonin’izay, maneho kolontsaina mampiavaka foko na ny faritra tsirairay eto Madagasikara ny satroka satria samy manana ny azy.]

Tena miasa ny satroka amin’izao andro mahamay izao satria ao anatin’ny vanimpotoanan’ny hafanana migaingaina ankehitriny ny eto Madagasikara. Manan-karena satroka vita amin’ny asa tanana malagasy isika. Misy karazany maro izy ireny, izay samy manana ny anarany avy. Ao ny satroka gebageba, ny satroka besofina, ny satroka ahibano, ny satroka penjy, ny satrobory. Tahaka ny manao tsihy sy harona ihany dia rariana ny satroka. Samy hafa ny akora amin’ireo satroka vita amin’ny asa tanana malagasy. Misy ny vita amin’ny tenona, na koa bozaka, na mololo, na rofia, sns. Misy ireo satroka natao ho an’ny vehivavy manokana, na ho an’ny lehilahy fotsiny nefa misy koa ireo tsy mifidy na lehilahy na vehivavy.

Mampiavaka

Ankoatry ny maha-fiarovana ny loha amin’ny hainandro sy ny rivotra, izay antony voalohany tena ilana sy ampiasana ny satroka dia fomba entina maneho amin’ny endrika ivelany hita maso ny maha-izy azy ny olona iray koa izy, tahaka ny fitafiana ihany. Ambonin’izay, maneho kolontsaina mampiavaka foko na ny faritra tsirairay eto Madagasikara ny satroka satria samy manana ny azy. Ho an’ny Ampovoantany, ohatra, misy ny satroka betsileo, toy ny satroka gebageba na besofina, eo koa ny satroka penjy an’ny Merina. Any Atsimo dia miavaka ny satroka antandroy, toy izany koa ny satroka antanosy. Tsy latsa-danja noho ireo ny satroka antemoro any amin’ny faritra atsimo atsinanana, toy izany koa ny satroka betsimisaraka, ny satroka tsimihety sy ny maro hafa. Azo itarafana ny kolontsaina malagasy ireo karazana ohabolana sy hainteny momba ny satroka. Any ambanivohitra dia mbola maro ny lehilahy no mitafy lamba sy manao satroka. Rehefa miditra ao anaty trano ny olona dia manala satroka. Fa indrindra koa rehefa handray fitenenana ny olona iray dia manala satroka ho mari-panajana ireo mihaino sy manatrika azy.

Description de l'image
Satroka avy any Avaratra(Vehivavy)
Description de l'image
Satroka Fianarantsoa sy Vohipeno
Description de l'image
Satrobory( Betsileo sy avy any Atsimo)
Description de l'image
Satroka penjy afovoantany(Merina)

Ami Ral

27 décembre 2024

Topimasom-baovao

# Depiote sady polisy iray indray tratra nitondra sokatra an-tsokosoko. Teny Ambohibao-Antehiroka no nahatratrarana azy io mialohan’ny andro krismasy lasa teo. Miha-matetika mihitsy ity fahatratrana olona mikasa hanondrana an-tsokosoko biby toy ny sokatra avy eto Madagasikara ity.

# Nirotsaka be ny orana iray andro mialohan’ny krismasy teo dia nihantona kely indray. Hafahafa ihany ankehitriny ny fipetraky ny toetry ny andro eto Antananarivo sy ny afovoantany. Indraindray somary mangatsitsiaka izany ny maraina dia avy eo mafana ny atoandro. Any amin’ny volana janoary 2025 ho avy io vao mety tena hirotsaka ny orana, araka ny vinavinan-dry zareo sampandraharaha mpamantatra ny toetry ny andro.

# Misy karazana valan’aretina hafahafa amin’izao eto Antananarivo sy ny manodidina. Aretin-kibo no saika mahazo ny olona. Tsy hoe aretin-kibo vokatry ny sakafo nohanina tamin’ny fety anefa fa noho io rano sotroina io, araka ny fazavana azon’ny olona manatona mpitsabo. Saika olona voan’ny aretin-kibo daholo amin’izao no milahatra amin’ireny tobim-pahasalamana ireny.

Nangonin’i Ami Ral

27 décembre 2024

Description de l'image

Commentaires