Fanjifana


Miakatra ny letisia zanatany !

Miakatra ny letisia zanatany. Izy ireo indray izao no hita mameno ny tsena raha niserana vetivety dia tsy hita sahady ny letisia vokatra avy any atsinanana. Soa ihany ho an’ny sasany. Mbola maro ny olona tsy nanandrana na voany iray aza tamin’ireo letisia vokatra avy any atsinanana ary izao vao mety hihinana amin’izay.

Hafahafa mihitsy ny fandehan’ny vokatra letisia tamin’ity. Amin’izay indray sady lafo no mbola mantamanta. Na dia manondrana letisia mankany ivelany aza i Madagasikara dia misy ihany ny amidy amin’ny tsena ato anatiny. Saika manodidina eo amin’ny 15 000 taonina isan-taona eo foana ny letisia aondrantsika mankany ivelany. Ho an’ireo letisia zanatany indray dia manodidina ny 3000 ariary ny vidin’ny iray kilao eny an-tsena amin’izao. Mahatratra any amin’ny 80 000 ariary any kosa amin’izao ny iray garaba.

Amin’ny maha-zanatany azy araka ny anarany dia saika avy any amin’iny faritra Analavory no fihavian’ireo letisia ireo. Misy koa ny avy Ampefy sy Soavinandriana, ary avy eto Antananarivo sy ny manodidina. Miha-miroborobo hatrany ity karazana letisia zanatany ity ary mety hifaninana amin’ny letisia mahazatra vokatra avy any amin’ny faritra atsinanana atsy ho atsy raha mitohy.

Ami Ral

27 décembre 2024

Commentaires