Fanjifana


Efa misy koa izao karazana mofo
vaovao “barea” amidy eny an-tsena

[Azo lazaina hoe tena nahita ary nahay mihitsy ireo izay namorona ity karazana mofo ity.]

Tafakambana ho iray ny sakafo sy ny fanatanjahantena. Ny marimarina kokoa, efa misy mpanao sady mpivarotra mofo nahavita namorona karazana mofo baolina mitondra anarana hoe “barea”. Misy karazany anankiroa ny mofo amidy amin’izany, izay samy manana ny tsirony sy ny fangaro ao anatiny. Ilay barea masira dia misy frômazy sy totonkena miaraka aminy. Ilay mofo barea mamy kosa misy sôkôlà. Samy manana ny vidiny ihany koa izy ireo. Ilay barea masira dia 500 ariary ny vidiny, ary ilay mamy kosa 400 ariary.

Herintaona

“Efa herintaona teo izao no nanaovanay azy ity”, hoy ilay vehivavy mpanao sady mpivarotra mofo barea raha mbola teo am-panendasana mofo mihitsy tamin’ny fotoana niresahana taminy. Eo amoron’ny arabe , eo ampitan’ny biraon’ny kaominina Mahitsy no misy ny toerana fanaovany mofo sady fivarotany. “Izahay mianakavy dia samy nanao an’ity daholo”, hoy izy nanohy ny fanazavany. Nambarany koa fa ankoatran’ny ao Mahitsy dia eny amin’ny faritr’i 67 ha-Antananarivo koa efa misy manao sy mivarotra ity mofo barea ity.

Azo lazaina hoe tena nahita ary nahay mihitsy ireo izay namorona ity karazana mofo ity. Hain’izy ireo ny namorona karazana mofo vaovao niainga tamin’ny mofo efa nisy teo aloha sady efa fantatry ny Malagasy, dia tsy inona izany fa ny “mofo baolina” satria baolina avy hatrany no tonga ao an-tsaina raha vao miresaka ny anarana Barea.

Fankafizina

Ny fahombiazana azon’ny ny ekipam-pirenena Barea nandritra ireo lalao fifaninanana niadiana izay ho tompondakan’i Afrika teo amin’ny baolina kitra CAN sy CHAN ireny no mainka koa nampitombo ny fankafizan’ny Malagasy ny barea. Tsy mahagaga raha tonga lasa natao anarana na marika sakafo “Vita malagasy” mihitsy ny barea, arak’izao tantaraina izao. Tamin’ny fotoana nandalovana teo amin’io mpanao sady mpivarotra mofo barea eo Mahitsy io dia hita tokoa fa betsaka mpankafy ilay mofo satria be mpividy. Misy ireo efa miambina eo raha sendra lany ny mofo efa vita. Tsy lavina aloha fa tsara ny tsiron’ilay mofo. Ilay tsirony ve anefa no tena mahabetsaka ny mpanjifa azy ity sa ilay fankafizina ny anarana barea mihitsy?

Ilaina hatrany ny mikarokaroka zavabaovao tahaka itony, izay nampitambatra ny fahaizana mahandro amin’ny resaka fanatanjahantena dia ny baolina kitra izany. Fomba iray isarihana ny mpanjifa sy ny mpankafy fanatanjahantena sy ny baolina kitra miaraka izany ka sady mampiiroborobo ny “Vita Malagasy” no mampiakatra ny hambompon’ny Malagasy eo amin’ny fanohanana ny ekipam-pireneny tahaka ny Barea.

Description de l'image
Hita tokoa fa betsaka mpankafy ilay mofo barea satria be mpividy.

Ami Ral

26 Septembre 2025

Commentaires