🚗✈️ Voandalana au Quotidien · Sujets Divers & Conseils Pratiques 💡
Magazine en ligne — Tourisme · Culture · Voyage · Artisanat · Actualités de Madagascar
⛰️ ANTONGONA – Imamo
"Efa ho lava ohatra ny afon'Antongona"
Ao anatin'ireo vohitra manan-tantara sy rakotry ny vakoka eto Imerina, isan'ny tena mampiavaka azy i Antongona, any amin'ny faritr'Imamo, 36 km miala an'Antananarivo. Toerana avo sy sarotra hihanihana izy, sady toerana nitahiry tantara lalina momba ny fiarovana sy ny ady tamin'ny andro fanjakan'ny Ntaolo.
Misy fomba fiteny malagasy iray malaza manao hoe :
« Efa ho lava ohatra ny afon'Antongona »
— Fomba fiteny malagasy
Fomba fiteny mbola ampiasaina mandraka ankehitriny izy io, entina milaza zavatra na raharaha miverimberina matetika loatra ka very lanja na tsy asian'ny olona saina intsony.
🔥 Ny niavian'ilay fomba fiteny
Noho i Antongona toerana avo sy mahatazana lavitra, dia izy no isan'ireo toerana stratejika nampiasaina hitiliana fahavalo fahiny. Raha vao nahita loza na fanafihana ireo mpiambina teny an-toerana, dia nandrehitra afo izy ireo ho famantarana sy fanairana ho an'ny tao amin'ny Rovan'Antananarivo mba handefasana miaramila hamonjy.
Rehefa nandeha anefa ny fotoana dia voalaza fa nisy fotoana natao matetika loatra ny fandrehetana afo, indraindray aza tsy nisy antony lehibe akory. Vokatr'izany, tsy noraisin'ny tao an-dRenivohitra ho zava-dehibe intsony ilay famantarana ka nitsahatra ny fandefasana miaramila. Farany, voalaza fa tafiditra sy babo i Antongona rehefa tena nisy ny fanafihana.
Io tantara io no nipoiran'ilay fomba fiteny hoe :
« Efa ho lava ohatra ny afon'Antongona »
🚶 Ny dia mankany Antongona
Raha miainga eto Antananarivo dia mizotra mankany amin'ny lalam-pirenena mankany Itasy. Rehefa tonga eo amin'ny fidirana an'Imerintsiatosika dia hita eny ankavanana ny lalana mankany Antongona.
Mbola ahitàna takelaka sy toro-làlana eny an-dalana, nefa maro ihany koa no manontany ny mponina eny an-toerana mba tsy ho diso lalana.
Ny ampahan-dalana farany kosa dia lalana mamovoka sy an-tongotra manodidina ny 7 km eo, mamakivaky tanim-bary sy vohitra ambanivohitra izay mbola mitahiry ny hakanton'ny tontolo nentin-drazana.
Rehefa tonga eny Ambohibato vao manomboka ny fiakarana tena izy mankany an-tampon'Antongona.
🏯 Rova voaaro sy sarotra hidirana
Anisan'ireo Rova nanana tetika fiarovana matanjaka i Antongona. Tery, miolakolaka ary misy tohatra vato ny lalana miakatra, natao indrindra hampiadana ny fahavalo mety hanafika.
Mbola hita eny an-toerana ireo rarivato fahiny sy ireo vakoka sisa tavela tamin'ireo vavahady maro sosona niaro ny Rova.
Eny an-tampony kosa no misy ireo tranokotona roa, izay naorina eo amin'ny toerana nisy ny Rova fahiny. Hita eo ihany koa ireo fasan'ireo mpanjaka sy ny taranak'andriana nonina sy nifehy an'Antongona fahiny.
👑 Antongona sy ny tantara
Tamin'ny andron-dRalambo no voalaza fa renivohitry ny Vazimba Zanakolondrano i Antongona. Tatỳ aoriana dia naniraka an'Andriambodivato sy ireo taranak'Andriampolofantsy ary Andriampanorimanga ny mpanjaka mba haka sy hiaro ilay vohitra ho toby stratejika hanoherana ireo Sakalava mananika an'Imerina.
Ny tantara voarakitra koa dia milaza fa Andriamioro sy Andrianjafimioro no isan'ireo mpanjaka farany nitondra tao an-toerana teo anelanelan'ny taonjato faha-17 sy faha-18.
Tamin'ny fiafaran'ny taonjato faha-18 dia nafindra tany Andramasina ny fitondrana ka tafiditra teo ambany fifehezan'Andriantsolo i Antongona.
🌄 Toerana tian'ny mpikaroka sy mpitia vakoka
Ankehitriny, voasokajy ho toerana arovana sy toeram-pikarohana ara-tantara sy arkeolojika i Antongona. Toerana ankafizin'ireo mpitia fitsangantsanganana an-tongotra, mpikaroka tantara ary mpankafy vakoka malagasy izy.
Ary raha tia toerana avo sy feno tantara ianao, dia isan'ny toerana azo tsidihina manaraka ihany koa i Ambohimiangara, izay tendrombohitra manan-tantara ao amin'iny faritra Imamo iny.
💧 Olan'ny famatsian-drano :
Hifandimby ny fizarana rano ho an'ny faritra maro eto andrenivohitra !
Noho ny tsy fahampian’ny famokarana rano sy ny fahasimban’ny tambajotra izay efa antitra, dia nanambara ny tompon'andraikitrin'ny Jirama fa hisy ny “tour d’eau” na fifandimbiasana amin'ny famatsiana amin’ireo faritra maro eto Antananarivo. Havoaka tsy ho ela ny fandaminana sy ny fizarana rano momba ny fandalovan’ny kamiao citerne amin’ireo faritra tena voakasik'izany. Maro ireo mponina no sahirana amin’ny fitadiavana rano noho ny fahatapahana maharitra. Na dia eo aza izany dia mampanantena fanatsarana tsikelikely ny fanjakana sy ny Jirama manomboka amin’ny faran’ny volana may ho avy izao.