Valanjavaboaharin’Ankarafantsika
Lasibatry ny afo matetika
[Etsy an-daniny, tsy manamora ny ady amin’ny afo ihany koa ny hatevin’ny zavamaniry mandrafitra ny ala”.]
Saika isan-taona dia may foana ny Valanjavaboaharin’Ankarafantsika. Tamin’ity taona 2025 ity izao dia efa tsy latsaky ny indroa. Raha tsiahivina dia tamin’ny tapaky ny volana septambra tamin’ity taona 2025 ity dia efa may ny valanjavaboaharin’Ankarafantsika. Vao haingana teo indray, ny 13 oktobra, izany hoe iray volana tato aoriana dia nahitana trangan’afo vaovao indray tao amin’ny Valanjavaboaharin’Ankarafantsika teny amin’ny faritra Ampombilava.
Inona ny antony mahatonga izany?
Vanimpotoana
Mikasika ilay tranga farany tamin’ny 13 oktobra teo, ohatra, dia mitondra fanazavana toy izao ny tompon’andraikitra amin’ny fitantanana ity valanjavaboahary ity: “Efa tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanimpotoanan’ny afo isika izao ka izany no mahasarotra tanteraka ny famonoana ny afo”. Nambarany ihany koa fa “Efa tena feno tanteraka ireo singa telo mampisy ny afo dia ny maha ala maina an’Ankarafantsika(combustible), ny hafanana ambony dia ambony izay manome vahana ny afo(énergie d’activation), ary ny fitsokan’ny rivotra mafy amin’izao vanimpotoana izao(comburants. Etsy an-daniny, tsy manamora ny ady amin’ny afo ihany koa ny hatevin’ny zavamaniry mandrafitra ny ala”.
Niara-nientana
Nahatratra hatrany amin’ny 350 ny isan’ireo olona mpamono afo niara-nientana izay nahitana ny mpitantana eny an-toerana avy ao amin’ny Madagascar National Parks(MNP), ny miaramila, ny mpamonjy voina avy ao Mahajanga, ireo mpiara-miombona antoka toy ny ekipan’ny Planet Madagascar, ny ONG DURRELL, ny Association Fosa, ny Red Island Restoration ary voafehy ny afo taorian’izay.
Manoloana ny tranga toy izao dia nambaran’ny tompon’andraikitra fa “efa napetraka ireo paikady maharitra (plan de sécurisation)”. Anisan’izany, ohatra, ny fisafoana ny Valanjavaboahary izay andraisan’ireo mponina manodidina sy ny mpiara-miombona antoka ary ny mpitondra eny an-toerana andraikitra.
Ami Ral
24 Octobre 2025