🎨 ** Hairaha - Art et Business **.
🎭 *Explorez les trésors artistiques et artisanaux locaux, reflets de la culture et de la créativité de cette terre aux multiples facettes.
Ambohidrapeto
Mbola ao ny dian-tongotr’ilay olonaGoavana fa tsy fantatra izay taranany
Tena nisy tokoa ve izany Rapeto nihavian’ny anaran-tanànan’Ambohidrapeto ankehitriny izany, sa dia angano na honohono fotsiny ? Olona tahaka ny olona rehetra ve izy io sa tena goavana tokoa ? Voalazan’ny tantara mantsy fa ataony indray mandingana ny vohitra na ny toerana alehany. Marihina fa Ambohidrapeto dia ao anatin’ny faritr’Itaosy, nampitondraina ny anaran’ny kaominin’Ambohidrapeto, ary ao anatin’ny distrikan’Antananarivo-Atsimondrano, Faritra Analamanga.
Ny zava-misy tsy azo lavina aloha dia mbola ao ny dian-tongotra na dian’ny faladian’ilay olona nolazaina fa goavambe antsoina hoe Rapeto io, saingy tsy fantatra kosa izay taranany, na izay nalehan’ny taranany raha toa ka misy. Tsy azo lavina fa ny olona goavana dia tena nisy teo amin’ny tantara tany aloha, ary na amin’izao vanimpotoana iainantsika ankehitriny izao aza mbola ahitana olona lavabe na goavambe. Manodidina izay dia nisy ny fanadihadiana natao teny an-toerana sy ny fanangonana ny resadresaka na ny fitantarana nifanaovana tamin’ny Raiamandreny ao an-tanàna sy ny mponina eny.
Vavolombelona
Anisan’ny Raiamandreny sady mponina ao Ambohidrapeto Ingahy Razanakoto Alfred, izay 84 taona. Zanatany ny tenany sady efa Prezidan’ny fokontanin’Ambohidrapeto teo aloha nandritra ny 35 taona. Toy izao ny resadresaka nifanaovana taminy :
« Izaho aloha efa valopolo taona mahery. Mba henoko izany hoe izao sy izao sy izao. Ny hitan’ny masoko izany no lazaiko eto. Ny nahatonga ny anaran’Ambohidrapeto izany, misy milaza hoe ary ananona ny tokon-dRapeto, ary ananona ny fasan-dRapeto. Fa izaho tamin’ny mbola zaza dia mbola hitan’ny masoko ilay ampahany amin’ny tokon-dRapeto. Ambohidrapeto, angamba eo amin’ny 7 ka hatramin’ny 12 kilaometatra eo avy any Antananarivo, miala eo amin’ny Gara. Roa angamba na telo kilaometatra miala avy eo Itaosy. Ambohidrapeto dia ao anatin’ny kaominin’Ambohidrapeto. Ny nahatonga ilay anarana Ambohidrapeto, Rapeto izany betsaka ny tany nalehany. Misy dian-tongony eny Ambohidratrimo, eny Ambohitrarahaba, dia eto(Ambohidrapeto) koa misy anankiray. Izany hoe nandalo izy izany dia teto no nanokon-kanina. Dia hita teto ny tokony fa mbola avo noho izaho. Fa ilay izy namidin’ny tompon-tany ilay tany dia lasa nanaovan’olona « moellon ». Teto izany Rapeto no nahandro sakafo. Nipetraka tao mihitsy izy. Hitanay tamin’izahay mbola kely hoe « ity ny dian’ny fitombenany ». Izy izany mipetraka, dia mahandro sakafo eo izy. Reko ihany koa taloha, mahandro sakafo izy, dia ny tanany ankavia mangalatra anana any Ambohimanarina. Dia izay izany no nahatonga an’ilay hoe Vohitr’i Rapeto. Ka ny tanana moa rehefa misy olona malaza, misy fahatsiarovana azy. Tsy fantatro aloha izay tantara taloha fa ny zavatra hitako no lazaiko(…) Ambohidrapeto koa, izy dia didonina hadivory. Io ambany io izao hadivory, io lasa arabe io. Eto ihany koa Ambohidrapeto fa misy tanana anankiray Ambodihady, sarahina ihany koa hadivory.
Ilay tokony izany , tokotokony eo amin’ny 1,90 metatra eo, izany avo noho izaho. Ary tsy voafehy ohatra an’izao. Olona roa angamba no mamehy azy. Ny anankiray mbola tratrako teo mihitsy. Anankitelo ilay izy(toko) fa ny vilany no tsy hita.
An-tampon-kavoana
Ny tena tanànan’Ambohidrapeto voalohany dia vohitra miorina eny an-tampon-kavoana. Marihina aloha fa Ambohidrapeto dia anisan’ireo «Tendrombohitra roambinifolo manan-kasina » tao Imerina. Tsiahiivina fa ireto avy ireo tendrombohitra manan-kasina roambinifolo ireo : Analamanga, Ambohimanga, Ilafy, Ambohidratrimo, Antahadinta, Alasora, Ambohimalaza, Ampandrana, Antongona, Ambohimanambola, Ambohitrabiby et Kaloy.
Teo amin’io vohitra taloha io no nisy ilay toko lehibe voalazan’ingahy Razanakoto Alfred. Fa mbola eo an-tampon-kavoana ihany koa no misy ilay dian’ny faladian-dRapeto. Tena ao anatin’ny tokotanin’ny sekoly CEG ankehitriny izy io. Nasiana fefy manodidina ary tsy mihidy. Ny somary mahagaga fotsiny dia ohatra toa tsy dia hita misongadina akory hoe ngezabe ilay faladia na dian-tongotra (jereo ny sary). Sa efa loatra dia tsy tena hita tsara intsony hoe ngezabe ilay izy ? Na voafafan’ny ranon’orana araka ny voalazan’ny mpitantara nanaovana ny fanadihadiana ?
Saika mahalala an’io tantaran-dRapeto io daholo ny ankizy mpianatra ao amin’ity sekoly CEG Ambohidrapeto ity noho ilay toerana misy ny dian’ny faladiany tehirizina ao. Voasoratra ao anaty boky miresaka ny angano malagasy rahateo ny momba an-dRapeto noho izany dia maro ny ankizy mpianatra any amin’ny sekoly ambaratonga voalohany na ambaratonga faharoa no mahalala azy.
Tsy azo sarahina ny anarana sy ny tantaran-dRapeto sy Rasoalao. Ity faharoa dia vehivavy. Misy anefa tsy fitoviana eo amin’ny fitantarana momba ny fifandraisan’izy ireo. Ao no milaza fa vadin-dRapeto i Rasoalao. Ny olona izay nanaovana ny fanadihadiana eto kosa dia nilaza fa anabavin-dRapeto Rasoalao. Samy milaza kosa ny fitantarana fa tany amin’iny faritr’Itasy iny no nanorim-ponenana i Rasoalao satria niompy omby be dia be izy. Rasoalao moa dia voalaza fa Vazimba ary ny omby nananany dia nantsoina hoe « ombimanga », izany hoe mbola omby dia. Raha olona niara-niaina izany Rapeto sy Rasoalao dia azo heverina fa karazan’olona antsoina hoe Vazimba koa i Rapeto. Izany hoe tany amin’ny vanimpotoana mbola tsy nisy fanjakana tao Imerina. Saingy raha ny fitantaran’ny Malagasy tany aloha dia olona fonentana, izany hoe fohy kely na kely vatana ny Vazimba. Ity Rapeto voalaza eto ity anefa olona goavambe.
Aiza ny taranany
Raha tsy hoe lany taranaka dia tokony ho misy amin’ireo mponina ao Ambohidrapeto ankehitriny ireo taranak’i Rapeto, na mety mahalala izay taranany. Tsy voatery ho mipetraka ao mantsy ny taranany fa mety hoe mbola any fa nifindra monina fotsiny. Miankina amin’izay koa no fomba anankiray ahalalana fa olona niaina na nandalo tao Ambohidrapeto tokoa io Rapeto io. Toy izao indray ny fanampim-panazavana nomen’Ingahy Razanakoto Alfred mikasika izay :
« Nisy koa tantara nilaza hoe niteraka lahy izy. Dia hoy io zanany io hoe « Dada o, alaivo ho ahy io volana io. Dia naka an’iny izy dia may ny tanany. Izay no nahafaty azy. (…)Tsy hita ny taranany. Hatramin’izao aloha dia tsy misy « trace » afa-tsy ny dian-tongony, dia ny tokony, izay no « trace » napetrany teto. »
Izay olona nanontaniana mikasika ny taranak’i Rapeto dia milaza ho tsy misy mahalala. Toy izany, ohatra, ny valintenin’ity vehivavy iray mpivarotra tsy lavitra ny toerana misy ny dian-tongotra na ny dian’ny faladian-dRapeto ity.
« Tsy misy taranany eto. Tsy nipetraka teto izy fa vahiny nandalo fotsiny », hoy izy.
Ambohidrapeto sy Ambohidratrimo
Vohitra anankiroa samihafa ireo fa saingy tsy mifanalavitra ary mifampitsinjo. Ambodratrimo dia vohitra somary avaratra andrefan’Antananarivo renivohitra fa Ambohidrapeto kosa atsimo andrefana. Eo Ambohidratrimo dia mahatazana tsara an’Ambohidratrimo. Ny maha-samy hafa ireto vohitra anankiroa ireto anefa, Ambohidratrimo dia vohitra nonenan’ny mpanjaka iray tao Imerina. Olona tena nisy ara-tantara izany Ratrimo izany satria tsy vitany hoe izy no nihavian’ny anaran’Ambohidratrimo fa voamarina ara-tantara ny nanjakana tao. Araka ny fitantaran’ingahy Razanakoto Alfred ihany dia nisy dian-tongo-dRapeto koa ao Ambohidratrimo io fa anisan’ny toerany fivezivezeny koa ao.
Rapeto sy Darafify
Misy koa tantara na angano malagasy no marimarina kokoa miresaka lehilahy iray goavambe antsoina hoe Darafify, izay voasoratra ao amin’ny boky sady fantatry ny ankizy mpianatra tany an-tsekoly tany aloha. Io Darafify io indray dia tany amin’iny morontsiraka atsimo atsinanan’i Madagasikara iny no niaina, araka ny tantara. Voalaza fa ataony indray mandingana izay toerana nalehany noho izy goavambe. Indray andro raha sendra tany anaty ala izy(satria mbola tena rakotra ala iny atsimo atsinanana iny tamin’izany) no nisy mpianala iray tonga nikapa hazo. Noheveriny fa hazo anefa ny ranjon’i Darafify dia nokapainy tamin’ny famaky. Ren’i Darafify ihany izy io fa noheveriny fa moka manaikitra dia tsy nahataitra azy loatra. Nijininika anefa ny ra ary tapaka tamin’izany ny tongotr’i Darafify. Nidaraboka nianjera tany an-dranomasina izy ka nidoboka aok’izany ny fianjerany. Toy izay ny niafaran’i Darafify.
Ny fanontaniana dia hoe olona samihafa ve ny voalazan’ny angano mikasika an-dRapeto sy Darafify ? Raha izany dia olona niaina vanim-potoana iray ve izy ireo sa vanipootoana samy hafa ? Sa iray ihany i Darafify sy Rapeto fa ny toerana nihavian’ny angano fotsiny no samy hafa ?
Fitantarana hafa
Toy izao koa ny fitantarana hafa momba an-dRapeto, araka ny voasoratra ao anaty boky « Anganon’ny Ntaolo » :
<« Rapeto hono, dia Vazimba talohan'izany Andriamanelo, mpanjaka taty fony fahagola. Teo Ambohidrapeo andrefan'Antananarivo, no vohitra nitoerany. Lavabe nahatakatra ny lanitra izy. Tany anaty ala atsinana no nandrahoiny ny variny, nefa tany Ambohidrapeto no nihinanany azy.
Tany Ambohitrarahaba, avaratr'Antananarivo, no filalaovany, ka nataony indray mandingana ihany hatreny Ambohidrapeto ka hatreny Ambohitrarahaba. Izy no nanao ny tsentsin-drano vato vaventibe ao am-bodin'Itasy, ka namboariny ho farihy lehibe, hisotroan'ny ombin-dRasoalao vadiny.
Ilay vato loaka tahaka ny dian-tongotr'olona ao an-dalamben'Ambohitrarahaba dia nohitsahin'ny faladiany sy niankinan'ny ranjony, hono, hampisehoany ny heriny. Ary ny loadoaka eny amin'ny vatolampy maro dia lazaina hoe diany avokoa. Indray mandeha izay dia nanampatra ny heriny loatra izy ka naka ny volana holalaovin'ny zanany; kanjo nasian'ny volana diamanga izy ka dangy nitsitra tery. Lazain'ny sasany kosa anefa fa nankany atsinanan'Amorokay izy, ka tany no nahafatesany.
Rasoalao kosa, hono, dia Vazimbavavy avy any Ankaratra, ka niankandrefana nankany Ambohimiangara ary nanambady an-dRapeto, ka niteraka vavy roa, dia Rasoavolandrainy sy Rangorimanga. Tao Ambohimiangara sy Ikasige any Mandridrano ary tao Ambatomanjaka sy Ambohiby, any Mamolakazo, no nisy vohitra fonenan'izy mivady. Mbola ao an-tampon'Ambohimiangara mandraka ankehitriny, hono, ny vilany vin-dRasoalao sy ny fahitr'ombiny ary ny fatoran-janakombiny. ».
Farany, anisan’ny mampiavaka io toerana mifefy mitahiry ny dian-tongotra na dian’ny faladian-dRapeto io dia noho izy tsy anaovan’olona fanasinana. Matetika mantsy ny toerana tahaka itony dia anaovan’olona fanasinana raha ho antsika Malagasy, ary anisan’izany ireny toerana malaza ho nisy Vazimba, na misy kalanoro ireny. Misy Doany fanasinana ihany ao Ambohidrapeto, saingy any amin’ny toerana hafa.
Ami Ral
Vendredi 21 mars 2025
Transport aérien
Aéroport Ivato sacré « meilleur aéroport en Afrique »
L’Aéroport International d’Antananarivo geré par Ravinala Airports a une nouvelle fois été distingué par l’Airports Council International (ACI) World. Pour la deuxième année consécutive, il décroche le titre de « Meilleur aéroport de moins de 2 millions de passagers en Afrique ». Cette reconnaissance prestigieuse, attribuée sur la base des retours des passagers, témoigne des efforts continus déployés pour améliorer la qualité des services et l’expérience des voyageurs. L’aéroport, véritable porte d’entrée de Madagascar, consolide ainsi son image à l’échelle régionale et internationale.
L’obtention de ce prix pour la seconde année consécutive encourage les responsables à poursuivre les initiatives en matière d’infrastructures, de fluidité des opérations et de confort des passagers. Les retours positifs des voyageurs, qui ont pris le temps de répondre aux enquêtes de satisfaction, ont joué un rôle clé dans cette distinction.
Source : Dépêche informative Taratra
Vendredi 21 mars 2025