Fitaterana amin’ny lakana
Noferana enina ny olona azo entina isaky ny mandeha
[Raha tsiahivina dia ny herinandro lasa teo iny no nitrangan’io loza tamin’ny fitaterana olona nandeha lakana voalaza eto io.]
Nisy ny fepetra vonjimaika noraisin’ny manampahefana taorian’ny loza nitranga tamin’ny fitateran’olona amin’ny lakana eo anelanelan’Ankadimbahoaka sy Ankazotoho ny herinandro lasa teo iny, izay namoizana ain’olona. Noferana enina ihany ny olona azo entina isaky ny mandeha. Ankoatr’izay, tsy maintsy mitondra irony aro aina na « gilet de sauvetage » irony ny mpandeha tsirairay. Tsy fantatra kosa na fepetra manokana ho an’ireo olona miampita lakana eo Ankadimbahoaka sy Ankazotoho Anosimahavelona ihany izy ity na mihatra manerana an’Antananarivo sy ny manodidina.
Sarotsarotra
Mikasika ity fepetra vao noraisina ity, mety hisy hanaraka ihany ny famerana ho enina ny isan’ny mpandeha amin’ny lakana isaky ny mandeha. Toa mbola ho sarotsarotra kosa ny fampiharana ny tsy maintsy hitondran’ny mpandeha lakana fitaovana aro aina na « gilet ». Antony mahatonga izany dia eo aloha ny fahasahiranantsika malagasy. Faharoa, tsy tena matihanina amin’ny asa fitateran’olona ireo lakana ireo na dia manao izany isan’andro aza.
Raha tsiahivina dia ny herinandro lasa teo iny no nitrangan’io loza tamin’ny fitaterana olona nandeha lakana voalaza eto io. Olona miisa iraikambinifolo miaraka amin’ny mpanamory no nandeha lakana tamin’io. Olona nirava avy niasa hariva handeha hamonjy fodiana ny ankamaroan’izy ireo. Lakana tsy voizina fa sintonina amin’ny tady moa no fampiasan’ireo mpitatitra eny an-toerana. Ny fahavotsoran’ny tady no niantombohan’ny loza ary niafara tamin’ny fivadihan’ny lakana. Vehivavy renim-pianakaiana iray no namoy ny ainy tamin’izany.
Ilaina
Marihina fa efa an-taonany maro no nisy ireo lakana mpitondra olona mivezivezy mampitohy ireo fokontany roa ireo ary lakana miisa telo no miasa isan'andro mitatitra ireo olona eny an-toerana. Ankoatry ny eto anefa dia marobe ireo toerana sy tanàna ahitana lakana manao fitaterana mampita olona mivezivezy amin’ireo faritra iva andalovan’ny renirano na misy rano eto Antananarivo sy ny manodidina. Ny reniranon’Ikopa, ohatra, dia mandalo toerana sy tanàna maro ary ivezizivezen’ireo mponina avy any amin’ny lafiny ilany havia sy ny lafiny ilan’ny havanana. Arak’izany, tena ampiasaina amin’ny fitateran’olona eto Antananarivo sy ny manodidina tokoa ny lakana ary mahavonjy, saingy misy ny fanatsarana tokony hatao.
Ami Ral
Vendredi 21 mars 2025