EDITO : Voankazo an’Ala
Vodiandro ho merika
Ao anatin’ny vanimpotoanan’ny lohataona sy ny maintany ny eto amintsika eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Tsy ho ela dia ho tonga koa ny fahavaratra. Amin’ny lafiny iray dia vanimpotoana fiasana izao ho an’ireo mamboly, toy ny fiasana tany ohatra, na koa ny fampidirana rano eny an-tanimbary, sns. Ho avy ny orana. Inona no fiomanana tokony hatao? Tsy hoe any amin’ny fahavaratra vao manamboatra ny trano raha misy simba na mitete ny tafo fa amin’izao. Tsy miandry any amin’ny fahavaratra ihany koa vao manao tatatra na manadio lakandrano fa amin’izao.
Farany, iaraha-mahalala ihany koa ny fahasarotan’ny fiainana rehefa tonga ny maitso ahitra. Rehefa ao anatin’ny fotoanan’ny fahavaratra moa no tena mitranga izy io. Fa kosa, ho an’ireo manana "ambimbava" dia mba afaka mitsinjo ny vodiandro ho merika. Ho an’ireo tsy manana kosa dia tonga amin’ilay fiteny hoe "manala fahavaratra".
Mandrato
20 Septembre 2024