POPULATION DE MADAGASCAR : DES MALAGASY…« OUBLIĖS » DES « 18 FOKO » !
🚗✈️ Voandalana ami du voyageur 🧳🌺 - Magazine en ligne.
Voandalana Ami du Voyageur, namana mahatoky manampy eo amin’ny dia atao, fizahan-tany, vokatry ny tany, ary ny asa tanana
Voandalana Ami du Voyageur, compagnon fidèle au service du voyage, tourisme, des produits du terroir, et de l’artisanat
Voandalana Ami du Voyageur, a faithful companion serving travel, tourism, local products, and crafts
« Découvrez nos articles récents et Archives »
« OFFRES »
Letisia
Misedra olana !
[Ny mpamokatra no tena mahatsiato matiantoka.]
Misedra olana ny tsenan’ny letisia ankehitriny. Fa inona no tena olana ? Mitaraina ireo mpamokatra. Ao ny mimenomenomenona fa matiantoka. Misy koa fanazavana hafa milaza fa tsy misy mpandray na mpividy ny vokatra rehefa tsy nandray anjara tamin’ity taona ity ny mpandrahara sasany mpanangom-bokatra teo aloha. Ny dikan’izany, rehefa tsy misy mpanangona ny letisia any am-potony, na lo fotsiny ny vokatra, na voatery amidy varoboba(na koa fatiantoka).
Kilao
Amin’izao fotoana izao dia manodidina ny 1500 ariary eo daholo ny kilaon’ny letisia amidy eny an-tsena. Misy aza moa te hahalafo dia mbola mampidina hatrany amin’ny 1000 ariary ny kilao amin’ilay miraraka na eo ho eo ihany ny kalitaony. Raha nanontaniana ny momba ny fihavian’ny fihavian’ny letisia amidy sy ny vidiny andraisany azy ny mpivarotra iray teny amin’ny tsena eto amin’ny manodidina an’Antananarivo renivohitra dia toy izao ny valinteniny: “ Eny amin’ny tsenan’Anosibe no angalanay ny letisia amidinay. Eo amin’ny 30 000 ariary ny iray garaba (panier) .”
Faly
Tsy lavina fa ny mpanjifa no tena faly amin’ny fahamoran’ny vidin’ny letisia toy izao. Zarany aza! Ny mpamokatra no tena mahatsiato matiantoka. Marihina fa letisia vokatra avy any amin’ny faritra atsinanana ireny amidy hita eny amin’ny tsena eto Antananarivo sy ny manodidina eto ireny. Raha tsiahivina dia efa tany amin’ny 15 novambra teo no nisokatra ny taom-piotazana sy ny tsena ho an’ny taom-pamokarana letisia 2025 ity. Ny letisia avy any amin’ny faritra hafa toy ny avy any atsimo atsinanana, ohatra, mbola tsy tazana. Vokatra mora simba sady mandala vetivety ny fisian’ny letisia isan-taona. Isika eto Madagasikara dia mpanondrana letisia any ivelany ka anisan’ireny ny any Eraopa sy Etazonia. Misy kalitao takiana anefa amin’ireny fanondranana ireny ary misy fotoana averina fotsiny ny vokatra letisia tonga amin’ny sambo avy aty amintsika satria tsy mahafeno fepetra.
Ami Ral