« BASKET–BALL AFRICA CUP 3×3 » :


LALAO 19 NO HOTANTERAHINA NY ZOMA 5 DESAMBRA IZAO AO AMIN’NY PALAIS DE SPORT MAHAMASINA !

Roa andro mialoha ny fanombohan’ny Africa Cup 3×3 hotanterahina ao amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina ny 5 ka hatramin’ny 7 desambra, dia navoakan’ny federasiona ny lisitry ny mpilalao voafantina mandrafitra ny ekipam-pirenena Ankoay. Fihaonambe ara-panatanjahantena efa nandrasan’ny maro, izay hivondronan'ireo ekipam-pirenena matanjaka indrindra eran’i Afrika amin’ity taranja "basket 3×3" ity.

Eo amin’ny sokajy vehivavy, nisy fanovana vitsivitsy raha oharina amin’ny taona lasa. Tafiditra ao i Sambatrarimiora Tokiniaina (GNB C), ary miaraka aminy i Jaofera Christiane sy Andriamihajanirina Sydonie (MB2All), ary Randriatahiana Sarobidy (GNBC). Tsy ao anatin’ny lisitra anefa amin’ity indray mitoraka ity i Hajanirina Muriel sy Chine, izay isan’ny ekipa tamin’ny Africa Cup 3×3 tamin’ny taon-dasa.

Ho an’ny lehilahy kosa, tsy dia niova firy ny mpilalao. Mitohy ny firafitra efa nampiasaina tamin’ny 2024 : ao Randriamampionona Elly (GNBC), Ratianarivo Livio sy Rasolomanana Anthony (COSPN), ary Solondrainy Arnol (COSPN). Ny fiarahana niatrika fifaninanana nandritra ny taona maro no tombony lehibe entin’izy ireo amin’ity fiadiana anaram-boninahitra afrikana ity.

Eo amin’ny mpanazatra, kosa dia Rakotonindrina Elie sy Andriamaholy Anthony no hitarika ny ekipa vehivavy, raha Ranarivelo Jean de Dieu sy Randrianarimanana Haja kosa no hifantoka amin’ny ekipan-dehilahy. Navoaka ihany koa ny fandaharam-potoana: lalao 19 avy hatrany no hotanterahina ny zoma 5 desambra, manomboka amin’ny 10 ora maraina ao amin'ny Palais de Sport Mahamasina.

Miandrandra vokatra mendrika i Madagasikara, ary manantena fa hitondra rehareha vaovao ho an’ny firenena ny Ankoay eo anatrehan’ny vahoaka Malagasy.

drone
Photo: Ankoay - Africa-Cup-3x3

“Loisirs et Aventures : Explorez Madagascar autrement”

Entre ses plages paradisiaques, ses parcs naturels et ses paysages uniques, Madagascar offre une multitude d’activités : randonnée, kayak, plongée, trek et circuits nature. L’île est une aire de jeux géante pour les amoureux d’aventure.

“Bien-être et détente : Les nouveaux espaces loisirs de la Grande Île”

Des salles de sport modernes, des piscines, des parcs de loisirs et des aires de détente s’imposent progressivement dans les grandes villes. Les Malgaches recherchent de plus en plus un équilibre entre santé, sport et relaxation.