🚗✈️ Mbay Lalana 🧳🌺 - Laissez passer.
🛩️ *Quels moyens de transport privilégier pour explorer les trésors de cette île envoûtante? Découvrez les astuces et conseils pour un voyage inoubliable à travers ses paysages captivants.
EDITO : Voankazo an’Ala
Manaratsy endrika
Nilatsaka ny sazy. Mahakasika ilay tranga fahapoizinana na fanapoizinana ara-tsakafo nitranga farany tamin’ny tanàn-dehibe samihafa teto amin’ny firenena no tiana ambara. Tranga, izay sady mampalahelo no mahamenatra. “Tahaka ny tongo-bakivaky ka sady maharary no mahametra”, araka ny ohabolana. Mampalahelo satria namoizana ain’olona, izay tanora ny ankabeazany. Ny teto Antananarivo moa no tena betsaka indrindra. Raha nolazaina fa maherin’ny roapolo teo no namoy ny ainy ho an’ny teto Antananarivo (avaratra atsinanan’Antananarivo no tena marina) dia mbola nitombo hatrany io isa io. Tany Mahajanga sy Toamasina, ary Ambositra moa nisy maty ihany koa. Ny mahamenatra amin’izy ity dia satria fanapoizinana no nitranga ho an’ny teto Antananarivo, araka ny voalazan’ny mpanao fanadihadiana. Famosaviana mihitsy moa no nilazana azy ho antsika Malagasy. Tsy vitan’izay fa miodinkodina amina resaka fianakaviana ilay izy. Ankoatry ny tapaka sy namana dia mpianakavy ny ankamaroan’ireo niharan-doza ary tao amin’ilay fianakaviana anisan’ny nanatrika ilay fanasana tamin’ny fetin’ilay tompona tsingerintaona ihany no voarohirohy sy ahiahiana ho tompon’antoka, araka ny hitan’ny mpanao famotorana.
Ankoatry ny fampidirana am-ponja mandra-pahavitan’ny fitsarana azy ireo, vokatr’ireo tranga ireo dia nisy ihany koa ny fepetra efa noraisin’ny manampahefana mahakasika azy ity. Fa na fanapoizinana, na fahapoizinana ara-tsakafo no ilazana azy, na fanahy iniana na tsia dia samy manaratsy endrika ny tontolon’ny fizahantany daholo izy ireo. Lasa mampiahiahy ny mpanjifa ankehitriny ireo karazana sakafo sy hanimasaka sasany amidy eny an-tsena sy amin’ireo toeram-pisakafoanana eto amintsika, indrindra fa izay mitovy amin’ilay nohanin’ireo maty sy narary niditra hôpitaly. Ao anatin’izao maintany izao no vanimpotoana mampiakatra sy mahabetsaka ny mpizahatany eto Madagasikara, izay antsoina hoe “haute saison”. Amin’izao indrindra anefa no miseho ny tranga ratsy tahaka izao. Tranga, izay lasa mampihena ny fitokisan’ireo mpizahatany vahiny tonga eto ny kalitaon’ny sakafo masaka aroson’ireo toeram-pisakafoanana eto amintsika.
Mandrato
27 Juin 2025
Modernisation du transport de la capitale
Quand le bus électrique rime avec le téléphérique
[Il est à rappeler que la cérémonie officielle de remise de ces bus électriques et thermiques, s'est tenue à la veille de la fête nationale au Centre de Conférences Internationales (CCI) d’Ivato.]
La population tananarivienne devra s’habituer avec le temps à un nouveau mode de locomotion et de transport. Surtout en ce moment où l’arrivée du bus électrique rime avec celle du transport par câble, communément appelé téléphérique. En effet, si actuellement ce dernier est encore au stade d’essai, par contre le bus électrique a été déjà mis à l’épreuve dont l’usage a été inauguré lors de la fête de commémoration du 65 è anniversaire de l’Indépendance de Madagascar. Ces bus ont été utilisés pour la première fois dans la journée du 25 juin pour transporter gratuitement les milliers de spectateurs de Tsarasaotra vers le « Lac Iarivo » et y assister le spectacle de feux d’artifice et de « jets d’eau » accompagné de « show drones ».
Il est à rappeler que la cérémonie officielle de remise de ces bus électriques et thermiques, s'est tenue à la veille de la fête nationale au Centre de Conférences Internationales (CCI) d’Ivato. Importés par l’État malagasy dans le cadre du projet de modernisation du secteur du transport, ces véhicules visent à améliorer la mobilité urbaine, non seulement dans la capitale mais aussi dans plusieurs régions du pays, selon la Présidence de la République. Sur les 300 bus commandés, 42 ont déjà été réceptionnés, dont 12 sont 100 % électriques et 30 fonctionnant au diesel, selon toujours la Présidence.
Adaptabilité
Au cours de cette cérémonie, le Président de la République Andry Rajoelina a reçu symboliquement les clés des bus des mains du Vice-président de l’entreprise chinoise Foton, constructeur de ces véhicules. Il a ensuite été le premier à les utiliser, parcourant en bus électrique le trajet jusqu’à la base militaire de la Bani Ivato. Cette démonstration a confirmé l’adaptabilité de ces bus aux réalités des routes malagasy, même sur des portions non encore bitumées.
Par ailleurs, une nouvelle ligne entre Tsarasaotra et l’Aéroport international d’Ivato sera également mise en place. À terme, l’ensemble de ces bus permettra la création d’environ 1 500 emplois, avec déjà 200 postes générés par cette première phase d’exploitation.
Ami Ral
27 Juin 2025
Raharaha fahapoizinana ara-tsakafo
Samy tranga nisy tao Frantsa sy teto Madagasikara tamin’ny Jona iny
Mbola mivoatra hatrany ny tarehimarika ny amin’ny isan’ireo olona marary sy maty voalaza fa tratry ny fahapoizinana ara-tsakafo ho an’ny teto Madagasikara. Maimaika fotsiny no ilazana fa samy tranga nisy tao Frantsa sy teto Madagasikara tamin’ny Jona iny ny olona tratry ny fahapoizinana ara-tsakafo. Ny fanontaniana mipetraka dia hoe misy ifandrasany ve izy ireo? Karazany iray ihany ve izy ireo sa samy hafa?
Otrik’aretina
Raha ny nampitain’ny fampahalalam-baovao vahiny sy frantsay aloha dia fanazavana ara-tsiantifika no antony, avy amin’izany otrik’aretina “bacterie E.coli” izany araka ny analizy natao tamin’ny laboratoara. Tsy vitany hoe manapoizina sy miteraka aretina izy io fa mety mahafaty mihitsy. Tao amin’ny tanàna iray antsoina hoe Aisne ao Saint-Quentin ao Frantsa, ohatra, dia nahitqnq olona miisa 26 tratry ny fahapoizinana ara-tsakafo naiditra hôpitaly ka ny 25 amin’ireo dia ankizy. Talohan’izao, ny andron’ny 16 jona dia zavavikely iray 11 taona no maty vokatry ny fahapoizinana ara-tsakafo tao amin’io tanàna io ihany. Fantatra koa fa nihinana henomby avokoa ireo olona tratry ny fahapoizinana ara-tsakafo ireo. Efa nakaton’ny manampahefana moa ireo toeram-pivarotan-kena miisa dimy tao an-toerana ireo.
Hahafaha
Izay ny tao Frantsa fa ny eto Madagasikara manokana kosa hafahafa ny tranga misy. Mbola maro ny zavatra tsy mazava toa mifono mistery aza. Mifamahofaho be ihany ny resaka na ny vaovao manodidina azy ity. Lasa misy karazany anankiroa ny eto amintsika. Ny anankiray aloha dia fahapoizinana ara-tsakafo, ny faharoa kosa dia fanapoizinana ara-tsakafo. Mikasika ity farany moa dia nolazaina mihitsy hoe famosaviana. Marobe ny narary sy ny maty vokatr’izany. Anisan’ny mbola mahasarotra ny famaritana na ny fanondroana ny fototr’aretina na ny otrik’aretina dia eo aloha ny fisian’io fanavahana anankiroa io. Faharoa, eo ihany koa ny fisiana tranga amin’ny tanàna sy faritra samihafa eto Madagasikara dia Antananarivo, Mahajanga, Toamasina. Ambositra. Ny fahatelo dia tsy nijanona tamina sakafo karazany iray na mofo iray toy ny donut fa nihitatra izany ary voakasika koa ny mortadelle, ny menaka sy ny hafa mampiahiahy. Ho an’ny tany amin’ny faritra na faritany ivelan’Antananarivo aloha saika fahapoizinana ara-tsakafo no nilazana azy. Ho an’ny tranga teto Antananarivo manokana kosa no nahitana an’io fanapoizinana ara-tsakafo io.
Fa mahakasika izay fampitahana izay ihany, raha iverenana ny tranga hita tamin’ireo tanàna sy faritra sasany teto Madagasikara ary ilay tany Frantsa io, azo lazaina hoe otrik’aretina iray ihany ve no nahatonga izany sa samy hafa? Ny analizy sy ny mpitsabo ihany moa no tena afaka mamaritra sy mamaly izany. Fa na izany, na tsy izany, na atao hoe tsy mitovy aza ny otrik’aretina na bactérie nahatonga ilay fanapoizinana. Mila jerena sy dinihina ihany ny hoe: fa nahoana moa izany no samy ahitana fahapoizinana ara-tsakafo ireo tanàna sy faritra voalaza ireo, na eto amintsika eto Madagasikara io na ny any Frantsa? Ireo karazana sakafo vokarina na amidy amin’ireo tsena samihafa amin’izao ve izany no antony sady tsy ara-pahasalamana? Sa avy amin’ny toetr’andro sy ny tontolo iainantsika amin’izao?
Ami Ral
27 Juin 2025