Raharaha fahapoizinana ara-tsakafo
Samy tranga nisy tao Frantsa sy teto Madagasikara tamin’ny Jona iny
Mbola mivoatra hatrany ny tarehimarika ny amin’ny isan’ireo olona marary sy maty voalaza fa tratry ny fahapoizinana ara-tsakafo ho an’ny teto Madagasikara. Maimaika fotsiny no ilazana fa samy tranga nisy tao Frantsa sy teto Madagasikara tamin’ny Jona iny ny olona tratry ny fahapoizinana ara-tsakafo. Ny fanontaniana mipetraka dia hoe misy ifandrasany ve izy ireo? Karazany iray ihany ve izy ireo sa samy hafa?
Otrik’aretina
Raha ny nampitain’ny fampahalalam-baovao vahiny sy frantsay aloha dia fanazavana ara-tsiantifika no antony, avy amin’izany otrik’aretina “bacterie E.coli” izany araka ny analizy natao tamin’ny laboratoara. Tsy vitany hoe manapoizina sy miteraka aretina izy io fa mety mahafaty mihitsy. Tao amin’ny tanàna iray antsoina hoe Aisne ao Saint-Quentin ao Frantsa, ohatra, dia nahitqnq olona miisa 26 tratry ny fahapoizinana ara-tsakafo naiditra hôpitaly ka ny 25 amin’ireo dia ankizy. Talohan’izao, ny andron’ny 16 jona dia zavavikely iray 11 taona no maty vokatry ny fahapoizinana ara-tsakafo tao amin’io tanàna io ihany. Fantatra koa fa nihinana henomby avokoa ireo olona tratry ny fahapoizinana ara-tsakafo ireo. Efa nakaton’ny manampahefana moa ireo toeram-pivarotan-kena miisa dimy tao an-toerana ireo.
Hahafaha
Izay ny tao Frantsa fa ny eto Madagasikara manokana kosa hafahafa ny tranga misy. Mbola maro ny zavatra tsy mazava toa mifono mistery aza. Mifamahofaho be ihany ny resaka na ny vaovao manodidina azy ity. Lasa misy karazany anankiroa ny eto amintsika. Ny anankiray aloha dia fahapoizinana ara-tsakafo, ny faharoa kosa dia fanapoizinana ara-tsakafo. Mikasika ity farany moa dia nolazaina mihitsy hoe famosaviana. Marobe ny narary sy ny maty vokatr’izany. Anisan’ny mbola mahasarotra ny famaritana na ny fanondroana ny fototr’aretina na ny otrik’aretina dia eo aloha ny fisian’io fanavahana anankiroa io. Faharoa, eo ihany koa ny fisiana tranga amin’ny tanàna sy faritra samihafa eto Madagasikara dia Antananarivo, Mahajanga, Toamasina. Ambositra. Ny fahatelo dia tsy nijanona tamina sakafo karazany iray na mofo iray toy ny donut fa nihitatra izany ary voakasika koa ny mortadelle, ny menaka sy ny hafa mampiahiahy. Ho an’ny tany amin’ny faritra na faritany ivelan’Antananarivo aloha saika fahapoizinana ara-tsakafo no nilazana azy. Ho an’ny tranga teto Antananarivo manokana kosa no nahitana an’io fanapoizinana ara-tsakafo io.
Fa mahakasika izay fampitahana izay ihany, raha iverenana ny tranga hita tamin’ireo tanàna sy faritra sasany teto Madagasikara ary ilay tany Frantsa io, azo lazaina hoe otrik’aretina iray ihany ve no nahatonga izany sa samy hafa? Ny analizy sy ny mpitsabo ihany moa no tena afaka mamaritra sy mamaly izany. Fa na izany, na tsy izany, na atao hoe tsy mitovy aza ny otrik’aretina na bactérie nahatonga ilay fanapoizinana. Mila jerena sy dinihina ihany ny hoe: fa nahoana moa izany no samy ahitana fahapoizinana ara-tsakafo ireo tanàna sy faritra voalaza ireo, na eto amintsika eto Madagasikara io na ny any Frantsa? Ireo karazana sakafo vokarina na amidy amin’ireo tsena samihafa amin’izao ve izany no antony sady tsy ara-pahasalamana? Sa avy amin’ny toetr’andro sy ny tontolo iainantsika amin’izao?
Ami Ral
27 Juin 2025