Ambohitrimanjaka
Maro ny mpanao asa tanana, olana ny tsy fisian’ny tsena !
[Misy ireo manao ny asa tanana ho asa fivelomana, olana anefa ny tsy fisian'ny tsena].
Misehatra amin'ny asa tanana ny enimpolo isanjato ny mponina eto Ambohitrimanjaka. Ao ny mandrary, manao poketra; ny satroka ary ny harona amin'ny alalan'ny rofia. Raha eto amin'ny fokontany Namoràna izao, efa maherin'ny zato ireo misehatra anatin’n'y asa tanana. Fokontany isan'ny vitsy mponina indrindra eto anefa io raha eto Ambohitrimanjaka.
Asa fivelomana
Efa 10 taona nanaovana ireny sarisary amin'ny harona ireny izao i Narindra mivady. Ho azy ireo, asa fivelomana ny asa tanana. Mivarotra eny Isotry izy. Telopolo isana'andro ny asa tsy maintsy atao. " Tsy misy « commande » fa entana tsy maintsy atao dia amidy, tsy misy ny tsena. Entina mody fotsiny aza indraindray ny entana. " , hoy izy. Betsaka ny masonkarena saingy tsy voaefan’ ny entana lafo izany. Olan'ny mivelona amin'ny asa tanana noho izany ny tsy fisian'ny lalambarotra tsara ho azy ireo.
Vadin'asa
Misy kosa ireo manao ny asa tanana ho vadin'asa toa an'i Rafehizato Arnaudias, mpampianatra izy saingy efa 20 taona nanaovana harona. "Tsy mahavelona ilay asa tanana , mora ny vidiny", hoy izy. ". Mandefa ny entana any amin'ireo mpivarotra no ataony. "Ny kely indrindra 300 ar. no andefasana azy. Ny antonony 500 ar., ary ny lehibe indrindra 600 ar ". Mahavita harona 4 isan'andro Arnaudias, tafakatra 6 isanandro kosa izany rehefa Tonga ny vanimpotoana fialantsasatra. Marihina fa eny Isotry sy Antsampanana Ambohitrimanjaka moa no mivarotra ny asa tanana ataony ny mponina ety an-toerana.
Fana (Mpianadraharaha)
18 Octobre 2024