Mpanao asa tanana malagasy
Misy mahavita pôketra sy kitapo amin’ny hodikazo !
[Faharoa manarakarakara an’izay, raha samy hividy zavatra lafo ihany, tsy aleo ve ny eto amintsika ?]
Mety ahavitana taozavatra tsara daholo ny akora samihafa rehefa hay ny manamboatra azy. Misy, ohatra, mahavita poketra sy kitapo amin’ny hodikazo. Mpanao asa tanana malagasy iray, orinasa antsoina hoe Vegan Bags Mada no manao izany eto Madagasikara. Nisy ny resadresaka nifanaovanay taminy.
Tsena
Ny akora ampiasain’ny orinasa dia mizara telo mazava tsara : sisal, raphia, liège. Ity farany ilay hodikazo. « Fahitan’ny olona matetika azy simili cuir nefa hodikazo », hoy ny fanazavan’ny tompon’andraikitra iray avy ao amin’ny orinasa Vegan Bags Mada. Ny hazo akana le hodikazo dia Liège. Ahodina ho lasa « fibre végétal » ilay hodikazo. Mbola tsy misy eto Madagasikara izy io fa afarana. « Mafimafy ihany ny fanafarana. Portugal no firenena anafarana azy », hoy ihany ny tompon’andraikitra. Maro ny zavatra azo amboarina amin’io karazana hodikazo io toy ny kitapo, poketra, « portefeuille ». Rehefa kojakoja fampiasa dia azo amboarina amin’io hodikazo io, eny fa na hatramin’ny fehikibo aza.
Ankoatry ny eto Madagasikara dia manondrana ny entana vokariny koa ity orinasa ity. Anisan’ny toerana anondranany i Aostralia, Eoropa amin’ny ankapobeny, ary La Reunion. « Izahay tsy dia maka tombony be loatra fa rehefa ahafahan’ny mpanao asa tananay mivelatra dia izay no ivarotanay azy raha mitaha amin’ny kalitaon’ny zavatra avoaka », hoy ilay tompon’andraikitra io. Nilaza moa ny vehivavy iray nijery ny toeram-pivarotan’ity orinasa ity fa mbola tsy nahita taozavatra vita amin’ny hodikazo toy izao. « Isika izany ny olantsika raha vao isika Gasy samy Gasy dia tsy sahy », hoy ny nambarany.
Olana
Raha nanontaniana momba ny olana sedrainy ity mpanao asa tanana sady orinasa ity dia toy izao ny valinteniny :
« Ny ankabeazan’ny Gasy tsy dia tia manome lanja zavatra ohatr’izao. Satria ny zavatra mpahazo ahy matetika eto izao, manonona vidiny ianao dia hoy ilay olona hoe « tena izany ve no vidin’itony ? Sao dia mba Vazaha no kendrenao ? ». Ny zavatra mila fantatry ny olona fotsiny anefa, manangana kitapo iray fotsiny dia efa tsy vitan’olona iray, olona telo fara-fahakeliny. Ilay izy koa tsy vita iray andro fa roa, na telo, na herinandro eo aza. Kitapo iray fotsiny izay. Dia ampidirina ao anatin’ny vidiny izany ny vidin’ilay akora nanaovana azy, dia ny asan’ilay olona nanao azy. Izany tsy takatr’ilay mpanjifa matetika. »
Raha nametrahana fanontaniana indray izy sao mbola tsy dia takatry ny fahefa-mividin’ny Gasy ilay izy dia toy izao indray ny nambarany :
« Ilay fahasahiana angamba no tsy misy. Satria ny itenenako an’izay. Mety hoe mahitsy be aho miteny an’ity. Ny Gasy rehefa amarotanao ohatra hoe « ity veste en cuir » 150 000 ariary ka hatramin’ny 200 000 ariary. Tsy misy adivarotra. Fa raha vao hoe asa tanana malagasy manonona an’izany hoe 150 000 ariary ka hatramin’ny 200 000 ariary dia miteny hoe « Fa maninona no ohatr’izany ny vidin’itony ? ». Ny zavatra azoko amin’ilay izy izany, afaka mandany vola ihany ny Gasy fa tsy amin’ilay asa tanana ».
Tsy nandà izy fa ny ankabeazan’ny mpanjifany kosa dia Gasy, saingy mbola sintomina foana aloha hatreto.
Omeo lanja !
Eto am-pamaranana dia nisy ny hafatra mba tian’ity mpanao asa tanana sady orinasa ity hampitaina :
« Ny zavatra tianay hampitaina, raha ho ahy manokana, ny tsara tsy mba mora. Izay aloha, tiako ho ren’ny olona mihitsy aloha izay teny izay. Faharoa manarakarakara an’izay, raha samy hividy zavatra lafo ihany, tsy aleo ve ny eto amintsika ? Misy kitapo be dia be any( vita avy any ivelany), mety hoe mbola lafo noho izao… fa tsy miady varotra ny olona. Dia tsy aleo ve manome lanja an’ilay vita gasy raha samy hanao an’izay ihany ? Ny ao an-tsain’ny olona amin’ny zavatra vita gasy mantsy matetika zavatra vita kitoatoa. Rehefa manjifa ihany re tompoko dia aleo ilay vita gasy â ! »
Mikasika ny hoe mahavelona ve ny fanaovana Asa tanana dia namaly izy hoe : « Fitiavana ilay izy voalohany indrindra. Izay daholo izany ilay olona miasa ao aminay. »
Tsiahivina fa ny orinasa Vegan Bags Mada dia anisan’ny nandray anjara tamin’ilay « Tsenaben’ny Fizahantany sy ny Asa tanana » notontosaina teny amin’ny Kianja Barea Mahamasina ny volana Novambra lasa teo. Marihina fa efa dimy taona izao no niorenan’ny orinasa, izay mpanao asa tanana sady mpamorona. Eny Nanisana akaikin’ny Farmasia no misy ny foiben-toerany fa manana mpivarotra ny entana vokariny (revendeur) maromaro ihany koa izy. Mampiasa mpanao asa tanana ary manana « Atelier » eny amin’ny By-Pass izy.
Resadresaka nangonin’i Ral
06 décembre 2024